Miala amin'ny mahazatra!

Sarotra ny miala amin'ny mahazatra,


  • Zoma 20 Febroary 2026

hoy isika malagasy, saingy ankehitriny

anefa dia heverina fa fahadisoana ny tsy hanaiky fa tsy maintsy miala amin'ny mahazatra isika io raha tiana ny tena hitondra fanovana eto amin'ity firenena ity. Isan'ny mahazatra mety tokony ialana izany, ohatra, ilay maika hanao fifidianana foana dia avy eo hitabataba indray aorian'ny fifidianana vita hoe ny teo ihany no teo na CENI sy HCC mbola tsy azo itokisana sy tsy tomombana. Hiteny indrindra koa avy eo rehefa miharihary hatrany izany tsy fahatomombanana izany hoe ny teo ihany no teo na Ikotozafy ihany no Alexis. Tranga niseho efa nahazatra hatramin'izay nifidianan'ny firenena ny rafitra repoblika izany ary efa samy nahita teto izay nandalo rehetra hoe fifamaliana tsy nitondra mankaiza, resaka nandany jiro, tsy nitondra na dia onja miabo ho an'ilay firenena akory fa dia nampitorevaka ilay firenena tanaty fahantrana hatrany. Io izao hoe ho ravana izay tsy mifandray amin'ny tantara sy vakom-pirenena ao anaty rova ao dia ny any amin'ny lafiny "folklorique" na hoe firingana hevitra tahaka ny resaka hasin'andriana sy ny fanompoana n'a tsy fanompoan-tsampy foana no hitondrana ilay resaka fa tsy mba any amin'ny famaritana ny atao hoe vakoka, ohatra, na hoe manao ahoana moa ny any amin'ny firenen-kafa? Manao ahoana ny fenitra iraisampirenena momba izany antsoina hoe vakoka izany? Maninona no tsy mba sokafana tahaka izany ilay fomba fijery fa ajanona amin'ny resaka ota fady sy finoana tsy misy idiran'ny atao hoe tantara na fomba sy kolontsaina akory? Miteny malagasy ny filohan'ny fanavaozana rehefa manatontosa dinika ofisialy amin'ny firenen-kafa. Lazaina fa tsy ampy fahalalana teny vahiny. Miteny amin'ny tenim-pirenen'olona indray, indrindra moa fa frantsay, dia mahita ho tsikeraina amin'izany foana ilay malagasy mbola tsy mety mahita fandrosoana eto amin'ity firenena ity tao anatin'izay 66 taona fara fahakeliny izay. Mitady fiaraha-miasa vaovao amin'ny tantsinanana raha toa zatra niaraka tamin'ny tandrefana taloha dia ny lafy ratsin'izany hatrany no mahamaika ny sasany ho tsongolohana. Hitady lalana hitondra fandrosoana sy fanovana ho an'ity firenena ity ve no tanjontsika sa hitohy amin'ny fankafizana adihevitra mampifandona na "débat contradictoire" tsy nahitam-bokany afa tsy fahantrana toy izay hita tao anatin'ny 60 taona mahery teo izay hatrany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT