Edito

Miakatra ny maripana


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Miakatra ny maripanan’ny tolona, hoy ny depiote iray, raha nikabary teny Atsonjombe ny sabotsy teo,

amin’ity herinandro ity. Nifanarakaraka tamin’izay daholo moa avy eo ny kabaran’ireo nandray fitenena tao aoriana rehetra. Tsy maintsy maka ny 13 may, hoy ireo filoham-pirenena teo aloha. Miakatra tokoa ny maripana, araka izany, raha iny lafiny fa etsy ankilany dia niara-niaina koa tato ho ato fa miakatra ny maripana raha ny lafiny toetr’andro mihitsy no ambara. Efa nanazava moa ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa fototry ny olana kosa indray eo amin’izay lafiny izay ny fivadibadihan’ny toetr’andro. Miakatra koa nefa ny maripanan’ny tsy fandriampahalemana, raha ny tranga niaraha-nahita hatrany ny faran’ny herinandro teo na teto an-drenivohitra io na tany ambany ravinkazo. Eo ny olan’ny famatsiana herinaratra mbola mitoetra. Iny koa izao fa nandanginina, hoy ny fitenin’ireo tanora fahiny azy izay, ny nafitsok’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na “opérateur téléphonique” izay nampiakatra ny saran’ny tolotr’izy ireo. Ny vidin’entana eny an-tsena moa tsy lazaina intsony. Miakatra koa ao anatin’izany rehetra izany ny maripanan’ny tsy fanarahan-dalàna, raha fintinina ny tsikeran’ny herivelona maro ivelan’ny fitondrana misy ankehitriny, mazava ho azy. Fitondrana izay tsy fantatra mazava intsony hoe iza no tena mitantana azy, hoy ny adintsain’ireo mpanara-baovao izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT