Edito

Miakatra ny maripana


  • Zoma 18 Febroary 2022

Mitaky ny fandravana faran’izay haingana ny governemanta ny mpanohitra. Tsy izy ireo irery moa izany fa hery politika maro tsy hanavahana no hita nanao izany tato ho ato.

 Etsy ankilany dia mivoaka isan’andro ny lisitr’ireo mpitondra manana dosie na koa hamoahana dosie izay nambaran’ny praiminisitra moa fa “tsy voatery ho marina”. Lasa miteraka adihevitra be koa anefa amin’izao fotoana izao ity voambolana hoe “tsy voatery ho marina” an’ny praiminisitra ity, indrindra moa fa notohizany tamin’ilay hoe “ianareo mpanao gazety koa azo atao an’ireny” dia araky ny mpanara-baovao ny tohiny. Toy ny milaza ve izany rehetra izany fa hatreo ny fanadihadiana momba ity resaka zava-mamoha henatra lazaina fa ataon’ireo mpitondra ity? Ireo zava-mamoha henatra aza moa izany no marimarina kokoa satria dia efa kely izany sisa izao dia ny atsasa-manilan’ireo mpikamban’ny governemanta no hita sy efa mitady ho tazana voasaringotra ao anatiny ao. Hita indray fa miakatra ny maripana politika eto amintsika ary dia hitombo indray izany ny fanahian’ireo vahoaka tsy mandady harona manomboka eto hoe hatraiza ny fijeren’ireo mpitondra azy ireo. Mbola misy ho antenaina amin’ny fitondrana izay hita ho tsy mifantoka loatra intsony afa-tsy amin’izay hitazomana ny sezany ve satria efa tapitra ny 6 volana tokony nanaovana ny tombana momba azy ireo na rehefa tsy izay dia efa mifantoka any amin’ny fifidianana ho avy ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT