Edito

Miakatra ny maripana


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Adinodino ny raharaha valanaretina coronavirus, fa toe-draharaha hafa indray no mahazo vahana ankehitriny.

 Mafampana ny toe-draharaha politika ny fifanolanana eo amin’ny mpitondra teo aloha sy ny ankehitriny. Nihena rahateo ny antontan’isa taorian’ny valan-dresaky ny Filoham-pirenena naneho fa nahomby ny ady natao. Etsy ankilany, dia ireny niaraha-nahita ireny ny famotsopotsoran’ny mpanohitra ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny, ny fitantanana, ny tsy fangaraharahana, ny hamehana ara-pahasalamana mivadika fanararaotam-pahefana,… Tonga hatrany amin’ny hoe hiantso sy hanao hetsika lehibe aorian’ny fihibohana. Ny mpitondra etsy ankilany mampidera hery sy fahefana. Azo antoka izany fa hihamafana hatrany ny toe-draharaha. Io efa tsy takona hafenina io ny adin’ny samy ngeza dia ny Filoha teo aloha sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo eo anatrehan’ny fanesorana amin’ny tany ampiasainy ny haino aman-jery iray. Samy manana ny heveriny fa rariny sy hitsiny. Mifanenjana ary tonga hatrany amin’ny fitsarana ny raharaha. Samy manabaribary ny fahefana eo am-pelantanany sy ny tanjany. Samy mampidera ny fahaizany,… fa ny tsy azo hiadian-kevitra aloha dia isan’ny manafana ny toe-draharaha politika ireny. Asa na fifandrifian-javatra na ahoana, fa toa miditra amin’ilay krizy isaky ny folo taona indray ny firenena io. Mifampila kisa, mifamingana, mifampila vaniny,… izay toa fomba fiady matetika miseho eto, indrindra fa ho an’ny eo amin’ny fitondrana dia ny hoe: rehefa manohintohina amin’ny atsy, dia kitihina ny aroa. Matetika ny toe-javatra tahaka izao miseho ankehitriny izao anefa no mandrehitra tsikelikely ny afo politika mety hiteraka fipoahana, ankoatra ny efa fahatezeram-bahoaka leo ronono an-tavy. Ny mahery tsy maody tsy ela velona ka sao ny fahatokisan-tena be loatra no hampirehitra ny afo ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT