Edito

Miakatra ny maripana


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Tsy mora ny mitondra fanjakana satria tsy vitan’ny fampanantenana sy ny kabary politika, fa mila hakingana sy faharanitan-tsaina.

 

 

 

 

Tsy vitan’ny Filoham-pirenena samirery, fa tena mila mpiara-miasa, mpanolotsaina, ekipa tena matanjaka sy vonona hifanampy fa tsy hikatsaka ny tombotsoany samirery. Na inona na inona aloha ambara sy fiezahana mandresy lahatra ny vahoaka, dia tsy milamina sy tsy mirindra intsony ny fomba fitantanana ny firenena. Maro ny zavatra tsy voafehy, mirarakopana ny fipoahan-javatra mandetika sy manaratsy endrika ny mpitondra. Ambara fa voafehy ny valanaretina, saingy mitombo isan’andro ny isan’ny olona voa ka izany ve no voafehy? Ny afera mahasaringontra mpitondra ambony mipoitra toy ny raharaha “bonbons sucettes” an’ny minisitry ny fanabeazana. Tena “sorena” araka ny tenin’ny Filoha ny mpitondra, hany ka mandrangaranga hery, toa mbola manam-potoana hiantsiana ady sy hananganam-pahavalo. Raharaha mafana ankehitriny ny momba ilay mpitsabo iray tany Toamasina toa tratry ny fanenjehana, izay tsy hay intsony na misy ambadika politika na ahoana satria efa naneho hevitra toa somary nanakiana ny tambavim-panjakana. Vaovao nafampana tato anatin’ny andro vitsy ihany koa ny fisamborana ilay mpitarika ny mpianatra teny Ankatso teo aloha, izay tsy dia nitovy hevitra tamin’ny fanjakana. Iny niseho iny karazana fanambarana andian’olona maneho ny tsy fankasitrahana intsony ny fitondram-panjakana tany Toamasina. Tsy hoe dia tena tsy mahalala ny tokony hataony, tsy hoe tena tsy mahay ny mpitondra, fa matoa misy ny fanakihanana, dia misy ny lesoka. Hita taratra eto amintsika anefa ny toa tsy mba fihaikena fa misy ny lesoka mila harenina, tsy fanekena fa misy fanapahan-kevitra diso tokony hiverenana,… fa dia miezaka mitady fanadiovan-tena, miezaka manao fampitahana amin’ny teo aloha hoe iretsy aza nanao an’izao ka ahoana izahay no tsy mba hanao izay saim-pantatray. Ny mahery tsy maody anefa tsy ela velona, hoy ny fitenin-drazantsika, ka sao sanatria rehefa kenda vao hoe domy aho ranaotra?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT