Sady ara-bakiteny mihitsy izany izao no ara-tsarinteny ilay fehezanteny hoe miakatra ny hafanana raha hanambara ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Eo ihany tsinona ny andro miha migaingaina fa mitohivakana miha miakatra koa ny maripana amin’ireo olana amina sehatra hafa ankoatra ny resaka tontolo iainana. Efa mitady ho zary olana tandra vadin-koditra ny sasantsasany amin’ireo tranga mampivonto ny oron’ny maro toy ilay resaka delestazy sy tsy fisian-drano. Tsy vitsy amin’ireo olompirenena tokoa aloha, raha ny resaka eny an-jorony eny, no efa mijery izay azo atao ho solom-bahaolana manoloana an’ity olana ara-tsolika nandalo sy miverina mandindona ity. Sanatria koa ve ny fitondram-panjakana hanararaotra izay fandraisany andraikitra tsy fidiny sy hampijaly vahoaka izay ? Azo lazaina ho toy ny vara-datsaka ho an’ny mpanara-baovao ny nandre iny fametraham-pialan’ny tompon’andraikitra andrin’ny resaka fitantanana ara-tsolika eto amin’ny firenena iny. Na fanekena na fandavana azy iny aloha no hasetrin’ny fanjakana azy dia mbola midika ho tsy filaminan’io sehatra iankinan’ny fiainam-pirenena io hatrany no iainantsika. Rehefa io rahateo no tsy tomombana dia ny toekarena iray manontolo mihitsy izay no mandindona hirodana. “Ahoana no hiatrehana fifidianana amin’izao ?”, hoy ireo mpanara-baovao. Pitik’afo kely monja, araka ny fitenenana, ankehitriny dia efa maha tsitohinina ny mpiara-monina manoloana ity karazana hafanana miakatra rehetra ity. Hita ho mijotso ho any amin’ny faharavany ny soatoavina sy fahendrena navelan’ireo Ntaolon-drazana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana. Misy mpanao politika sahy manao tatitra aza fa misy foko efa miady mihitsy. Dia mbola hiroso amin’ny hazakazaka hakana fahefana ihany ve sa hamaha ireo olam-be ireo ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.