Edito

Miaka-midina


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hoferany indray ny vidin-tsolika eto Madagasikara manomboka izao rehefa navela hampihatra ilay vidiny tena izy teo aloha ireo kaompanian-tsolika 4 misy eto amintsika.


Izany no natao moa, araka ny fanazavana voaray dia mba hisorohana ny mety ho fidangan’ny vidin-tsolika be loatra. Eo no tsy mazava amin’ny rehetra satria eo amin’ny tsena iraisam-pirenena anie ka efa tato anatin’ny enim-bolana izao no midina foana ny vidin’ny solika e ! Tany Frantsa aza mialoha ny faran’ny taona 2015 teo dia nampidinina mihitsy ny vidin’ny gazoala. Fa nahoana moa no mbola ahiana hidangana be foana ny vidin-tsolika eto Madagasikara ? Ny fanjakana rahateo efa nanaiky fa tsy hanao « subvention » intsony. Ka inona indray ity fihetsiketsehana vaovao ity ? Na tsy nisy an’io fepetra io aza mantsy dia tokony hidina ho azy ny vidin-tsolika noho ilay fidinan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ireo karazana haba sy hetra no ambaran’ireo mpandraharaha fa tena mampidangana ny vidin-tsolika eto amintsika. Mankaiza daholo ireny vola ireny anefa avy eo ? Ary rehefa tapitra ilay enim-bolana hameran’ny fanjakana ny vidin-tsolika, dia inona indray no mety hitranga ? Hafahafa ny zava-misy eto Madagasikara. Toa raisina tampotampoka sy noho ny kajy maimaika fotsiny ny fanapahan-kevitra hitantanana ny firenena fa tsy misy vina lavitr’ezaka mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT