Edito

Miaka-dapa


  • Zoma 16 Oktobra 2015

Hifantoka eny Iavoloha indray anio ny sain’ny mpanara-baovao, noho ilay fihaonana voalohany eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo ben’ny tanàna manerana ny nosy.

 


Hifantoka eny Iavoloha indray anio ny sain’ny mpanara-baovao, noho ilay fihaonana voalohany eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo ben’ny tanàna manerana ny nosy. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny ben’ny tanàna no sady manana ny maha izy azy ireo ihany koa eo amin’ny tontolo politika. Hanome toromarika ny fitondrana foibe, izay azo antoka fa hifandraika amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny PND. Ny mahaliana ny rehetra dia izay mety ho kabarin-dRamatoa Lalao Ravalomanana, izy mantsy no hisolotena ireo ben’ny tanàna rehetra manerana ny nosy amin’ny maha ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara azy. Izy koa anefa dia nandresy ny kandida notohanan’ny HVM ary vinavinain’ny mpanara-baovao politika fa mety ho anisan’ireo ho kandida filoham-pirenena manaraka eo. Manana lanja politika manokana i Lalao Ravalomanana ary azo antoka fa anisan’ireo ben’ny tanàna tena hisongadina ato anatin’ny taona vitsivitsy hifandimby eo raha ny fandaharanasany no jerena. Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny rehetra koa anefa ilay hoe mifandona amin’ny fitondrana foibe foana izay mitantana an’Antananarivo…Asa na efa tantara izany sisa na mbola hiverina indray.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT