Edito

Miaina rano raraka


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Na inona na inona fanazavana ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao dia azo fehezina amin’ny hoe miaina rano

 

 

 raraka isika ankehitriny. Amin’ny lafiny rehetra io. Politika, toekarena, sosialy, kolontsaina, fanatanjahantena sy ny hafa tsy voatanisa. Tsy inona akory izay rano raraka tsy azo raofina izay fa ilay fanapahan-kevitra tara tamin’ny fanidina sisin-tany nitranga tokony ho natao tamin’ny faraparan’ny taona 2019. Mila karohina aingana, noho izany, izay fomba hatsakana rano afaka hamelona ny vahoaka malagasy ho atao anatin’ny sinin’ny fanavotam-pirenena hamelomana indray ireo sehatra misy rehetra ireo. Ny zava-misy anefa dia iaraha-mahita fa vao miha marefo ny toekarem-pirenena. Miha mahery vaika ny valanaretina tafiditra eto amin’ity firenena ity ary hita ho mampitombo ny faharefoan’ny mponina koa raha mijery ny tarehimarika momba ny fahafatesan’ireo mpiray tanindrazana maro tato ho ato. Tsy maha resy lahatra ny fomba hifehezan’ny mpitondra ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina an-davan’andro fa dia mbola io izy mampikaikaika ny vahoaka Malagasy tsikaritra ho miha mitrongy vao homana isan’andro io. Nanao ny nafitsony koa ny tary amin’ny fanatanjahantena nandrandraina fa mbola mba hany hitondra firaisankinam-pirenena sy hany sisa hitondra fifaliana kely ho an’ny sarambabem-bahoaka tary. Maro no efa voalaza momba azy iny nialoha sy nandritr’ireo lalao natrehin’izy ireo farany saingy toy izay mitranga eo amin’ny fitantanana ankampobeny ny firenena ankehitriny ihany angamba ny hadirin’ny tsy fahaizana maka lesona, raha ny hita hatreto aloha. Enga anie mba ho diso ny famakafakana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT