Edito

Miaina latsa


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Miaina latsa saika isan’andro ankehitriny ny vahoaka malagasy. Raha avy nitsidika kely an’iny vavahadin’I Madagasikara iny ianao, izany hoe tetsy Ivato,

ka hitodi-doha hihazo indray an’Antananarivo, dia tohamboivoy tsy laizina no mitsena anao vao miditra an’iny Tsarasaotra iny. Misy soratra mideradera be anefa vao miditra ny renivohitra hoe “Tongasoa eto Antananarivo” saingy izany moa izao no lazan’ny “tananantsika”. Tohamboivoy! Fitohanan’ny fifamoivoizana! Mivoaka ny renivohitra moa, efa isan’andro izao ny fitarainana mikasika ity haratsian-dalana ity. Mihaino ny faharetan’ny dian’ireo niala ny renivohitra ho any Toamasina. Avy namakivaky iny lalam-pirenena faharoa iny. Ora 10 vao vita raha fiara tsy mataho-dalana. 18 ora raha fiara mpitati-bahoaka. Hatreo Ankazomiriotra aza moa ora 4, hoy ny mpivahiny iray. Maheno fampitam-baovao matetika avy amin’ny fitondram-panjakana fa mivoatra ary mandeha ny asa fanamboaran-dalana kanefa dia maheno fivoarana fitarainana olompirenena avy nandia ireo lalam-pirenena rehetra ihany koa na RN2 na RN4, RN7, RN13 sy ny namany rehetra fa dia misy maha loa-bava mihitsy hoe “mahatsiravina” ilay fahapotehan’ny lalana. Ny sopitry ny fambolem-bary toa an’I Marovoay indray ankehitriny no hanateram-bary na koa fahanana vary masaka. Tsy efa naman’ny voalatsa tsy fidiny ve isika ity? Misy fotoana aho lasa saina hoe mety mbola ho avotra ve ity Madagasikara ity, hoy ny fanontaniana napetraky ny mpikirakira vaovao iray? Lasa zatra miaina tsy fanjariana isika, hoy ny sasany. Dia tena izany tokoa ve sisa isika ity? Tsy mahay mamaky teny sy manoratra rahateo ny atsasa-manilantsika, raha ny fintin’ny tarehimarika efa malaza. Izay tokoa ve izany no tonga amin’ilay fitenin-drizalahy mpikabary hoe “Rehefa tototra ny bado dia manjaka ny fetsy.”? Mipirina ny avara-pianarana! Maizina ny lalan-kombana! *
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT