Edito

Miady irery


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Manomboka ny fanisan’andro ho amin’ny firodanan’ny FAT ankehitriny raha toa ka mbola minia manao be marenina amin’ireo fanehoan-kevitra nipoitra tato anatin’ny roa herinandro izao ireo manampahefana.

 Efa ho ny 90%-n’ireo vondrona sy ankolafy politika izao no milaza fa tsy misy tokony hahamaika amin’ny fifidianana raha toa ka tsy mbola voasonia ilay sori-dalana nasiam-panitsiana ary nankatoavina tany Sandton. Izany hoe rehefa vita ny sonia, izay efa eken’ny rehetra afa-tsy ny ankolafy Rajoelina fa hatao eto Madagasikara ary hatrehan’ny filohan’ny ankolafy rehetra, dia hirosoana amin’izay ny fananganana ilay tetezamita hiaraha-mitantana sy ahitana ireo vondrona politika rehetra.

Ny FAT irery sisa no manisy olana ny fiverenan-dRavalomanana fa ny hafa rehetra efa tsy mitsipaka izany intsony satria resy lahatra fa tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny krizy ity filoha teo aloha ity, ary vao mainka hampitombo ny fahasahiranana ny fanakanana ny hidirany eto Madagasikara. Miady irery, araka izany, i Andry Rajoelina ary raha tsy mitandrina amin’ny fanapahan-keviny dia ho tavela irery eo ary hirodana ho azy mihitsy ny fitondrany. Miady irery koa ny TGV sy ireo antoko politika madinika mbola mivavaka amin’ny FAT. Ny mpanao politika hafa mantsy tsy hijanona ao anaty sambo rendrika ary tsy hiainga eo amin’ny seranana mihitsy. Ny tokony hampieritreritra ny filohan’ny FAT, na milaza fa manohana azy aza ny Frantsay, tsy hahavita zavatra firy intsony noho ny fahasahirany, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-bola.

Ary tsy i Frantsa mihitsy no hahavita hibaiko sy hanindry bokotra ireo fikambanana iraisam-pirenena matanjaka sy firenena goavana tahaka an’i Etazonia na Alemaina izay tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny FAT. Ireo firenena sy diplaomaty Afrikanina aty amin’ny ranomasimbe indianina no mety voavidin’ny Frantsay fa ny ankoatra izay dia tsy zakan’ny tsenany, araka ny fomba fiteny. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : hanohy iny lalana iny ka hiady irery hatramin’ny farany ve ny FAT sa mba efa tonga saina ka hiverin-dalana sy hiara-dia amin’ny besinimaro ? Efa mitsipaka ny politikam-pitantanan’ny FAT ny ankamaroan’ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena, ireo raiamandreny avy amin’ny faritany enina, ny eny amin’ny sehatra tsy miankina, ny ampahany ao amin’ny foloalindahy. ka Miandry inona izany vao hanova fomba famindra i Andry Rajoelina sy ny ekipany ? Sa ve sanatria te hamerina mihitsy ny 26 janoary sy ny 7 febroary 2009 ? Tsara ny mahavita tena sy mijoro amin’ny heviny saingy ny hazo tokana tsy mba ala ary tsy mahalasa lavitra ny manao be saina miady irery. Dia ho hita eo indray aorian’ny 31 aogositra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT