Misoko miadana ny ady mangatsiaka sy ny fifandirana eo amin’ny samy lehibe ao ambonimbony ao.
Azo itarafana izany ny zava-nitranga tany Mahajanga ka naharavana sy nahamaizana trano, nisy ihany koa ny fitaovana sy entana very. Mbola resaka olana amin’ny tany ihany no voalaza fa fototr’ity raharaha ity. Nampanantena fa hanamboatra toerana fanaovana fanatanjahantena any Ambondrona Mahajanga ny filohan’ny FAT. Tsy maintsy misy ny famindran-toerana ireo olona mipetraka eo amin’ilay tany, araka izany. Tsy nanaiky mora foana anefa ireto farany, ary raha ny fahitana ny tantara dia misy ny olona manohana sy azo atao mihitsy hoe mampirisika azy ireo mba hitsivalana amin’ny fanombohan’ilay tetikasa. Tsy nijanona tamin’ny fitokonana na fitondrana sorabaventy intsony ny hetsika ny 24 septambra teo fa tena niafara tamin’ny fifandonana sy ny fanapotehana ary fandorana trano mihitsy. Voalazan’ireo nanatri-maso fa nisy ny iraka manokana avy aty Antananarivo nitondra “ordre de mission” mba hahafahana mampiato ny asa fanorenana aloha. Voalazan’izy ireo ihany fa avy any amin’Atoa Alain Ramaroson filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo ao amin’ny CST io taratasy io. Tsy nandeha irery ireto iraka manokana ireto fa niaraka tamina olona maromaro. Nafampana ny toe-draharaha ary dia raikitra ny savorovoro dia nisy ny fandrobana sy fanimbana. Nanamafy izany voalaza rehetra izany moa ny Sekretera jeneralin’ny oniversiten’i Mahajanga, Atoa René Andriamisora.
Araka ny angom-baovao avy any Mahajanga ihany koa dia tsikaritra fa efa nisy tamin’ireto olona nitarika korontana ireto no efa tazana teny Amparihigidro raha nitranga koa ny karazana savorovoro nanakanana ny fanombohan’ny asa fanorenana trano mora ao Mahajanga. Mipetraka eto ny fanonaniana hoe : tena Atoa Alain Ramaroson marina ve no ao ambadik’izany raharaha fanoherana ny asa fanamboarana fotodrafitrasa fampanantenan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina izany ? Raha marina ilay izy, inona no mety ho antony ? Mety mitombina ve izany ilay resa-be etsy sy eroa fa efa tsy dia mifankahazo tahaka ny tamin’ny 2009 intsony ny roa tonta ? Toa vao mainka aza niha ratsy ny fifandraisana taorian’ny nahafatesan-dRamatoa Nadine Ramaroson minisitry ny mponina teo aloha, ary mety hosoloina olona tena akaiky an’i Andry Rajoelina atsy ho atsy ? Misy zavatra tsy dia mazava ao ambonimbony ao ary raha mitohy io resaka io dia tsy maintsy ho vaky ambatolampy ihany ny nafenina rehetra.
Tsara homarihana anefa fa tsy olonolom-poana ka azo ailika araka izay hitivana azy Atoa Alain Ramaroson fa tena nandray anjara mavitrika tamin’ny fanampiana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fandrodanana an’i Marc Ravalomanana. Tena ho ratsy ho an’ny filohan’ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy ny fanilihana ity mpikambana CST ity. Raha avela amin’ny toerany anefa izy dia tsy hisalasala hampiasa ny fahefany ihany koa, eny fa na dia mety mifanohitra amin’ny tian’ny FAT hatao aza ny fihetsiny amin’izany. Tena sarotra ny fanapahana ho an’Atoa Andry Rajoelian satria tahaka ny tanteraka aminy mihitsy ilay fomba fiteny hoe : “nokaikerin’ny amboakely tiana !”. Tsy tongatonga ho azy koa izao zavatra izao fa mety efa misy antony maro be. Koa ho hita eo raha hahay hihavana ry zareo ireto na hanohy ny fifanandrinana sy fifandonana, izay azo antoka fa hampihena hatrany ny herin’ny FAT, izay efa manomboka malaza amin’ny ady an-trano. Ka samy te ho rôla tsinona ka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.