Edito

Miady an-trano


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Andrasana fatratra izay hambaran’ny praiminisitra amin’ny fiverenana an-tanindrazana. Betsaka mantsy izay resaka re momba azy sy ny fahasalamany izay.

 


Ao ny loharanom-baovao milaza fa tena voa mafy ingahy praiminisitra satria diso niasa mafy sy niasa saina loatra ka nitarika ny tsy fahasalamany. Re ihany koa fa ny dokotera nizaha azy mihitsy no efa nilaza fa tokony haka aina aloha ary tsy hiasa be intsony izy. Izao anefa ambaran’ireo mpiara-miasa akaiky aminy eny Mahazoarivo indray fa salama tsara tsy misy atahorana ary hiverina hiasa ingahy praiminisitra. Nitsikafona ihany koa ny resaka fa hay ka misy manampahefana sy mpanao politika mitsiriritra mafy ny toerana ao Mahazoarivo. Izany ve no nahatonga ny fanapariahana vaovao fa hoe tsy salama ary tokony hametra-pialana ny praiminisitra am-perinasa ? Fa na ahoana nahoana ambara aloha, dia tsy azo lavina intsony fa mikorontana ny ao ambonimbony ao ary dia tena misy ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy lehibe. Hanampy trotraka ny fahasahiranana misy eto io ary hampalemy isan’andro ny fitondrana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT