Edito

Mety hipoaka ihany ny sarom-bilany...


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Faly sahirana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Toa efa afa-doza amin’ny valanaretina, ka tsikaritra ho miverina amin’ny fiainana andavanandro izany ny fomba fiainan-dRamalagasy, raha ny hita soritra eto an-dRenivohitra.

 

 

Mbola tsy hananana antoka tanteraka anefa ny fandresentsika ny valanaretina ny fitiliana vita satria tsy ampy 10% amin’ny vahoaka Malagasy akory ny vita fitiliana. Marina fa miezaka manome antoka ny mpitondra, fa andalam-pandresena isika izao. Mihana ny tranga raha ny antontan’isa ofisialy, saingy azo lalaovina tsara io. Enga anie mba tena ny zava-misy marina no taterina. Miverina mitombo ny tranga any amin’ny firenena maro, toy ny any Eoropa izay manana ny ampy amin’ny fiarovana sy ny fiantrehana, ka tokony ho mailo isika. Etsy andaniny, mbola mafy ny fiantraikan’ny krizy, mbola sarotra ny asa fihariana indrindra fa ho an’ny orinasa, mbola baraingo ny fanavotana ireo mpiasa natsahatra tamin’ny asany, ny vidim-piainana miha midangana, ny sandam-bola mitotongana, ny vahoaka bokan-trosa ny ankamaroany,... Na ny tamba-bidin’ny herinaratra ho an’ny Jirama, ny hetra mitambatra satria afaka nahemotra ny fandoavana azy, ny hofan-trano, ny ekolazy sy ny fampidirana mpianatra, ny fandoavana ny volan’ny CNaPS nindramina, ... dia mbola trosa miandry avokoa. Ny mpitondra fanjakana etsy andaniny, toa miezaka manao seho politika hoenti-maneho fa manga ny lanitra. Toa mbola endrika propagandy izany hatrany no hita soritra. Toa tsy te hahalala izay kihana izany ny mpitondra, ary mihevitra fa tena mety ny ataony. Ny manahirana anefa, dia maro ny geja toa hoenti-manapina ny feo sy fanehoan-kevitra ankoatra ny azy sy ny mpomba azy. Toa natao hangejana ny fahalalahana ny hamehana. Asa izay hiseho aoriana ao, fa raha ny zava-misy aloha, dia ahiana hipoaka ny sarom-bilany eo anatrehan’ny krizy lalina miseho, raha tsy misy angaha ny finiavana sy vahaolana maharitra sy azo tsapain-tànana. Asa mihevitra ve ny mpitondra fa tena adinon’ny vahoaka ny tsy mety ataony, aferafera, fitantanana tsy mangarahara.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT