Edito

Mety ahoana koa e ?


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Asa aloha raha mba nijery ilay horonantsary teny Ankatso nandritra ny nisamborana an’ilay mpianatra ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo Reg na tsia

 


. Nahagaga ny maro ihany ny fanambaran’ny jeneraly Florens Rakotomahanina omaly. Rariny ary tsy maintsy nanao ireny fihetsika ireny ny zandary satria nanohitra ilay mpianatra ka tsy maintsy nokarohana ny fomba rehetra nifehezana azy, hoy izy. Dia tena mahagaga sy mahatalanjona e ! Fa tsy maintsy mpitandro ny filaminana efa ho 10 lahy mirijarija be miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ve izany vao mahafehy mpianatra tanam-polo iray ? Nisy ireo mpitandro ny filaminana nanakana ireo namany tsy hidaroka an’i Jean Pierre intsony. Midika izany fa nahatsapa izy ireo hoe tsy mety ilay fihetsika. Ka mety ahoana indray ireny fihetsika tsy am-piheverana ireny ? Dia tezitra ve avy eo rehefa lazain’ny olona hoe tsy manaja ny zon’olombelona ? Tsy tany miady anie ny eto Madagasikara ary tsy mbola dahalo aloha hatreto no hanasokajiana ny mpianatra migrevy e ! Eto amintsika anefa afaka manao izay tiany ny manampahefana sy ny tompon’ny lalàna. Ny vahoaka foana no tsy maintsy miharitra ny mafy rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT