Edito

Mendrika halain-tahaka


  • Alarobia 28 Septambra 2016

Vita tany Cartaghène - Cuba ny dingana voalohany amin’ny fametrahana fitoniana any Kolombia. Taorian’ny 26 septambra, fotoana nahavitan’ny fifanaovan-tsonia hametrahana fandriampahalemana teo amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny filoha Juan Manuel Santos sy ny mpioko FARC tarihin’i Rodrigo Londoño mba hampitsaharana ny ady any an-toerana dia hiroso amin’ny dingana manaraka ny Kolombianina


. Hanao fitsapankevi-bahoaka hahafaha-mampihatra tanteraka ny fifanarahana vita sonia izay mitotaly  297 pejy novolavolaina tao anatin’ny 4 taona ny vahoaka amin’ny alahady 2 septambra ho avy izao ary efa hita soritra ny hahalaniany. Raha tsiahivina, nandritra ny 52 taona ny fifanolanana tany an-toerana ary izao tonga amin’ny dingan’ny fampihavanana izao. Ny tena zava-dehibe sy mendrika halain-tahaka dia ny faharesen-dahatra sy fanetren-tena nananan’ny lehiben’ny FARC Rodrigo Londoño ka nifonany ampahibemaso tamin’ny tsy nety nataony tamin'ireo olona rehetra niharam-boina sy nizaka fahoriana tamin’ny fihetsiky ny mpioko izay efa nahatratra 6 hetsy ny namoy ny ainy. Havadika ho antoko politika ny FARC ankehitriny. Eto amintsika dia tsy mety tapitra ny adilahy politika noho ny tsy fisian’ny tena finiavana sy faharesen-dahatra tena hihavana sy hampandroso. Sarintsarim-pihavanana no misy ankoatra ny adilahy. Ny fifanarahana vita sonia aza tsy arahina fa ny vola sy fotoana fotsiny no lany. Tsy mba hain’ny mpitondra sy ny mpanao politika Malagasy ve ny tena mihavana sy miara-mandray fiaingana ka hiroso amin’ny tena fampandrosoana an’i Madagasikara ?

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT