Mena ny tondro rehetra !

Mena ny tondro rehetra raha


  • Alarobia 11 Jona 2025

haravona ny fiainam-pirenena amin’ny ankampobeny.

Tsy finiavana hamendrofendro fa kosa mitatitra sy maneho ny zavatra iainan’ny Malagasy, izay tena dobo tanteraka ao anaty fahantrana sy fahasahiranana. Asa izay mason-tsivana sy mari-drefy mbola hoentin’ny mpitondra hanamarinan-tena, fa raha io raiki-pohy vaovao napetraky ny Banky Iraisam-pirenena fa miakatra ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny vola tokony hositrahan’ny isam-batan’olona farafahakeliny raha tsy te ho voafaritra anatin’ny mahantra ? Raha io dia miakatra 90 hatramin’ny 95% ny tahan’ny Malagasy mahantra fadiranovana raha 80% eo izy ankehitriny amin’ilay mari-pandrefesana teo aloha 2,15 dolara. Ny delestazy no isan’ny misongadina sy miteraka fipoahana ara-tsosialy ankehitriny. Iny no hita miharihary kanefa betsaka ny tondro maneho fa tsy tandindonin-doza intsony isika, fa efa anaty loza mihatra aman’aina. Ny karama farany ambany eto izay mbola 53 dolara eo dia tena mbola ambany lavitra an’ilay 100 dolara nolazain’ny filoham-pirenena fa mahasambatra. Na tafakatra an’io 100 dolara io aza, moa tena mahasambatra ve manoloana izao fidangan’ny vidim-piainana izao ? Na ambany aza ny karama farany ambany, betsaka ny sehatra mbola tsy anatin’ny ara-dalàna izay mikarama ambany lavitra noho io. Mbola betsaka ihany koa anefa ny tanora Malagasy tsy an’asa, izay mahatratra 70% ankehitriny. Manana politika ara-tsosialy sy ara-toekerana mahomby mba hamahana ireny olana samihafa ireny ve anefa ny Fanjakana ?Betsaka izay fampanantenana nipoapoaka hanao izay haha paradisa an’i Madagasikara sy hiadanan’ny Malagasy izay fa raha ny fomba fiasa sy fitantanana ny firenena lazaina fa lalana makany aloha dia tena diso tanteraka, fa miha mitsofoka any anaty kizo sy hantsana mangitsokitsoky ny fahantrana. Serasera ivelany, fanadiovan-tena, fanamarinan-tena,… aloha no tena betsaka. Tahaka ny bokotra no potserina dia mivaha ny olan’ny Malagasy, foana ny delestazy, lasa manan-karena ny olon-drehetra,… raha raisina amin’ilay firesaky ny mpitondra farantampony hoe : « calme ianareo fa tsy ataoko mahantra intsony ». Sanatria tsy hanao izay hankahalan’ny vahoaka ny mpitondra, fa raha izao zava-misy izao, raha ny nanenjehana sy nanonganana ny mpitondra teo aloha,… Moa mbola mendrika ny hijanona eo ve ny Fanjakana ankehitriny ? Mbola tsaroany ve ilay kabary tamin’ny 2018 hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Manana asa ve ny tanora ? Mandry fahalemana ve ny vahoaka ? Tsy mahantra intsony ve ny Malagasy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT