Edito

Mena mitsilopy


  • Zoma 13 Mey 2022

Fa ny fanantenana efa mena mitsilopy”, hoy ny hiran-dry zokibe Mahaleo efa tany amin’ny faraparan’ny taona 1970.

Nanontany tena ry zalahy tamin’izany hoe asa na hisy fihatsarany ao aoriandriana kely ao fa dia efa zary nofinofy tsy nisy nanombinana aloha no betsaka hatreo ary hatreto, amin’izao fotoana iainantsika izao koa dia tena vao mainka mampanahy tanteraka ny hoavin’ity firenena ity. Bemolanga tamin’izany no nampametra-panontaniana hoe rahoviana no hitranga? Amin’izao fotoana izao, asa na mbola tadidin’ny mpitondra izany, fa mifoha koa io ny fampanenoana lakolosy isan-karazany hoe mba avoahay koa I Tsimiroro! Aiza ihany ny famerenana ireo nosy Malagasy? Sa mbola hamafisina ny filavoana lefona nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny farany teo tamin’ny fametrahany fanontaniana hoe ahoana no hamerenantsika ny volan’ny frantsay niasa tao? Tsy ny frantsay aza ve no tokony hananantsika trosa sy hamerina ny fanambakana rehetra nataony teto amin’ity firenena ity, hoy ny antoko politika sasany izay? Na ireo mpitolona tamin’ny taona 1972 aza mahita fa efa tsy ny frantsay irery intsony koa anefa no mitavana fotsiny ny harena tokony ho lovain’ny taranaka eto fa efa maro ireo mpanani-bohitra vaovao tonga sy avela manao tantely hafa-drakotra izany. Mena mitsilopy ny fanantenana tamin’izany fotoana izany, raha ny fitantaran-dry zokibe azy fa amin’izao fotoana izao izany tonga amin’ilay hoe ahiana tsy hisy hipetrahana tongotra malagasy intsony tokoa ve eto? Hiara-kijery fotsiny izany toe-javatra mandindon-doza izany sy hanohy ny werawera tsy maintsy mandeha ve sa hifanaiky hikaon-doha hanoherana ny fahavalo iombonana dia izay voalaza hoe mpanani-bohitra maoderina izay ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT