Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny teny nambaran’ny Dr Leonardo Simao teny Mahazoarivo, raha avy nihaona tamin’i Camille Vital, praiministry ny Fahefana Avon’ny tetezamita izy ny antoandron’ny alakamisy 24 febroary lasa teo. Nandritra izay mantsy no nilazan’ity iraky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC ity, fa mivadika tamin’ny teny nataony ny filoha Ravalomanana. Tamin’izay koa no nilazany fa tsy vonona amin’ny sori-dalana narosony ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy, ka zo sy andraikitr’izy ireo izany. Niteraka adihevitra be teo amin’ny tontolo politika eto an-toerana iny filazana am-bava nataony iny.
Tsy ho ireny mantsy no teny tokony hiloaka ny vavan’ny Dr Leonardo Simao raha diplaomaty marina izy. Ankoatra izay mbola anatiny tanteraka amin’ny fihaonana amin’ireo ankolafin-kery sy vondrona politika sy andraisany ireo tolo-kevitra fanitsiana na fanatsarana ny sori-dalana narosony izy, ka mety ho diso toerana ihany raha tsy mbola mifarana akory ny iraka ampanaovina azy eto dia manao teny toy ireny izy. Ka lasa ihany ny saina aman’eritreritra manoloana izany, amin’ny hoe : mahalala ny zavatra ataony ve ity iraky ny SADC ity sa mandranitra tsotra izao ? Raha mpanelanelana mantsy izy dia mikaroka ny fomba sy tetika rehetra hampifanatonana ny hery mifanandrina fa tsy hanao teny manilika ny hafa mihitsy.
Raha mihaino ny teniny hatramin’ny faran’ny 2010 no ho mankaty anefa dia miverimberina ny hoe ho tavela eo izay tsy hanao sonia, fa ala nenina farany ny azy ity. Nanomboka tamin’izay dia efa naneho ny ahiahiny tamin’ny Dr Simao ny tao amin’ny Magro Behoririka. Vao mainka nampitombo io ahiahy io ny teniny teny Mahazoarivo tamin’ny alakamisy iny, ka tonga hatramin’ny hoe : mersenera sa mediatera ingahy Simao ? Ny loharanom-baovao hafa aza efa milaza fa mety ho lasa mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara koa ity teratany mozambikana ity atsy aoriana kely. Ny tantara moa no hanamarina na handiso izany. Fa ny vaovao re farany momba azy dia lasa tampoka tamin’ny Vol MD mihazo ny nosy Maorisy ingahy Simao. Andrasana avy aminy ny votoatin’io diany tany Maorisy io, fa raha ny zava-misy dia miharihary izao fa mifanipa-kevitra izy sy Chissano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.