13 taona teo izay dia tsy nisy afa-tsy fifanandrinana eo amina “olona” miisa 2 no nibahana ny tontolo politika Malagasy ary nipaka tany amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy ny fandroritan’ireo tsy miraharaha ny fahasahiranam-bahoaka izany.
Mbola vao ho kandida ben’ny tanana teto Antananarivo ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’izany fotoana dia efa nitaraina ho hiharana antsojay maro isan-karazany nataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana. Kabariny teo am-pandraisana ny fanalahidin’ny tanana koa rehefa lany avy eo ny hoe nandova trosa hono izy sy ny mpiara-miasa ao amin’ny kaominina tantanany. Naira-nahita ny tohin’ny tantara avy eo ny rehetra fa tsy nahandry tantana ka nampiasa hery nakana ny fahefan’ilay nolazainy fa nanao antsojay azy ingahy ben’ny tanana tamin’ny fotoan’androny “sy ny ekipany”. Naira-nahita ny vokany ny rehetra. Fahapotehana mpandraharaha Malagasy, fahaverezana asa sy fivelomana ho ana Malagasy analinaliny, fitotonganan’ny toekarena izay nampidangana tao anaty fotoana fohy ny vidim-piainana no setriny raha fanovana sy fampandrosoana no nampanantenain’ilay nilaza fa nosotasotaina kanefa avy eo afaka nanongana ilay nolazainy fa nisotasota azy mora foana. Tonga ny taona 2013. 5 taona nitondrana tetezamita ilay nampanantena fiovana sy ny ekipany ary nanolotra hery vaovao hanova an’i Madagasikara, hono, saingy miara-mahita ny toerana misy antsika eo imason’izao tontolo izao isika ankehitriny. Niverina indray ity ny “mpanova” saingy toa tsy niova ny fahavalony sy ny ekipany fa mbola ilay nolazainy ho nanao ratsy taminy fahizay ihany. Natsangana tao anelanelan’izany ny hoe mba komity mpampihavana, hono, kanefa dia toa mbola ilay fifandrafesana hita tao anatin’ny 13 taona ihany ity no mbola tazana ary ny vahoaka izay tokony ho fanoitry ny fampandrosoana an-jorom-bala tanteraka sy tsy ampianarina ny tokony ataony akory fa dia tsy tompon-tsiny mizaka ny vokany irery eto. Ny filoham-pirenena teo aloha no toa kasain’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny mpiara-miasa aminy hanaovana antsojay sy valifaty kanefa ny vahoaka ity no raha mitohy no tena vao mainka ho faty. Dia ho valifaty politika toy izany foana ve izany no ho fifandimbiasam-pahefana hisy eto? Mby aiza izany isika ity ary inona intsony no fampandrosoana azo antenaina eto ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.