Mbola tsy vita ny tolona !

Raha misy tolona


  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

sy ady nimatimatesan’ireo

Razambentsika tany amin’ny taona 1947 dia ny hahafahan’ny Firenena niala teo ambany vahoan’ny mpanjanantany ! Nafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana rehefa niaina fiforetana anaty tao anatin’ny fotoana lava. Valopolo taona latsaka kely aty aoriana, mby aiza isika ? Efa afaka ve ny Firenena sy ny vahoaka ? Voatazona sy iainana ve ilay soatoavina noraketin’ny tolom-panafahana ? Tena mbola manana fitiavan-tanindrazana ve ny Malagasy ? Na tiana na tsy tiana, mbola difotra ao anatin’ny endri-panjanahana vaovao isika ankehitriny, tsy misy fahaleovantena ara-politika sy ara-toekarena izany eto, mbola ny vahiny no mifehy ireo sehatra stratejika eto amin’ny tany sy ny Firenena, ny mpanao politika mbola betsaka no saribakolin’ny mpanjakana, ny vahiny saika manao ny fomba rehetra hitsifihana tombotsoa sy harena eto,… Mbola zary resabe hatreto ilay hoe tany manan-karena sy tsiriritin’ny vahiny i Madagasikara, saingy indrisy fa malaza tsy hihinanana tahaka vilian-tsahona ny harena eto ho an’ny Malagasy. Mbola tsy mivadika ho hery sy fanohitra hialana amin’ny fahantrana fa sanatrian’ny vava mbola ataon’ny ampahan’olona varoboba. Mampiteny ny moana sy mampitsangam-bolo ny valeran’ny harem-pirenentsika very sy miondrana isan-taona. Tsy tena mbola hita taratra ilay firaisam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana, fa mbola difotra ao anatin’ny fahantrana ara-toetsaina, tsy miraharaha soa iombonana, tsy mijery lavitra, tsy mipetraka ho tompon’andraikitra, mitazam-potsiny ny faharavan’ny Firenena. Tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsain’ny fiolonolonana na « individualisme » araka ny fandalinan’ny mpandinika, ka adino fa sarotra ny ho tafavoaka raha tsy misy ny fiombonana sy fahatsapan’ny rehetra fa mila miova sy manova isika na amin’ny toe-tsaina, na amin’ny fitantanana ny Firenena, na amin’ny adidy iraisana hialana amin’ny fahantrana,… Mbola tsy vita ny tolona, vao mainka aza tena mitaky fikirizana satria raha izao zavatra izao fahapotehana amin’ny endriny maro izao no mitohy dia asa izay hanjo isika ao anatin’ny 20 taona fotsiny ohatra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT