Mbola tsy tonga saina ihany!

Teny sy teny na «parole et parole»,


  • Alakamisy 09 Oktobra 2025

hoy ny tononkira vahiny tranainy izay. Ny tenenin’ny vava hafa.

Ny ataon’ny tanana tsy arakarak’izay akory. Io iaraha-mahita io amin’izao fotoana izao ny hery famoretana hampiharin’ireo nantenaina ho mpitandro filaminana amin’ny vahoaka eto amin’ity firenena ity. Ny maty, maty. Ny maratra, maratra. Ny mitondra takaitra mandra-maty manginy fotsiny. Hatramin’ireo mpitsabo aza vaky loha, ara-bakiteny. Tena hoe sahin’ireo andrandraina ho tandroka aron’ny vozona eto amin’ity firenena ity mandaroka na dia ny olona mety hitsabo azy rahampitso sy rahafakampitso aza! Tsy tokony isalasalàna angamba ny mamaritra izany fomba fanao izany amin’ny teny mazava hoe «mandrora mitsilàny!». Iza moa izany no tomponandraikitra voalohany manome baiko ireo lazaina fa mpitandro filaminana nefa midaroka vahoaka isan’andro ireo raha tsy ny filoha faratampon’ny foloalindahy? Iza raha tsy ilay filoham-pirenena milaza ho maheno ny fitarainan’ny vahoaka sy miantso fifanakalozàna na koa hoe dinika amin’izao fotoana izao. Tena miantso tokoa ve sa mody miantso nefa ny herisetra sy jadona ihany no tohizana atao? Hatramin’ny mpanao gazety aza lasibatry ny fanipazana entona mandatsa-dranomaso lany daty. Niaraha-nahita teny Ambohijatovo izany. Iharan’ny fanimbàna fitaovana. Andro sabotsy ny filoham-pirenena mampiseho sary fa niara-nidinika tamin’ireo lazaina ho solontenan’ny mpanao gazety teny Iavoloha. Isan’ny voambolana nisongadina tao anatin’izany ny voambolana hoe «hisokatra». Nambara fa hisokatra amin’ny gazety rehetra tsy hanavahana firehana ny andrim-panjakàna rehetra. Talata taorian’izay ihany anefa dia niaraha-nahita fa voasakana tsy hiditra teny Mahazoarivo ny mpanao gazety. Lojika be omaly, raha nofaritan’ny filoham-pirenena hoe andro natokana hihaonana amin’ireo sehatra toy ny fanaovan-gazety sy sehatra ara-toekarena samihafa raha toa ka nitodi-damosina nandà izany fanasàna izany avokoa ny maro an’isa, indrindra, ireo sendika. Efa mitodi-damosina aminao hatramin’ireo haino aman-jery manana zotran-dahatsoratra voafaritra hoe tsy mitodika miankavia na miankavanana dia mbola tsy tonga saina ihany ianao. Manerana ny nosy, tsy misy izay tsy ahenoana fitakiana hoe mila miala mihitsy ianao saingy mahagaga hoe mbola tsy tonga saina ihany! Dia inona hatrany izany no hiziriziriana amin’ireto raharaha mikatso miha mikatso hatrany eto amin’ity firenena ity sa sanatrian’izany mbola hanitatra izao krizy izao ho 6 na 7 volana mihitsy ka raha tsy ho tonga any amin’ny sanatrian’izany fahafonganan’izay tsy ho fongana vao hijanona?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT