Mbola tsy hifampihaino indray!

Raha fintinina ny herinandro dia azo lazaina


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

ho nibahana ny matoam-baovao maro amin’ny ankapobeny ny fanahiana, sanatria, fifandonan’ny samy mpiray tanindrazana.

 Nilaza ny fanahiany mikasika izany ireo manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana ambony. Toy izany koa ny kandida ho filoham-pirenena maromaro. Etsy ankilany, mifandimby mitory ny filoham-pirenena teo aloha izay vao voatery nametra-pialana 2 andro lasa izay, ny antoko politika maro. Raha kandida miisa 8 tany aloha no nanasonia ny tsy fanekena ny filatsahan-kofidian’ny filoham-pirenena teo, Andry Rajoelina, dia niakatra 9 izany. Nisy koa anefa ankoatran’izay ireo kandida hafa nilaza fa tsy mankato mitovy amin’ireo ihany koa na dia tsy nanasonia aza. Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy manana afa-tsy ny filazana ireo mpanohitra sy ivelan’ny fitondrana ho matahotra ny lalain’izy ireo ho kandida Andry Rajoelina ny mpiaradia amin’ity filoha nasionalin’ny antoko politika TGV ity. Fomba fitenin’ny tsy manan-kevitra, hoy ry zareo ao amin’ny Otrikafo izay, satria inona moa no atahorana ny fitondrana izay tsy nanao afa-tsy fampidanganana ny vidin-tsolika sy vidim-piainana? Inona no tokony atahorana kandida tsy nahavita afa-tsy nampitombo ny fahasahiranan’ny malagasy ary nahatonga ity firenena ity ho isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany, raha lalao madio no atao, hoy hatrany ny antoko voalaza teo? Mazava izany izao fa mbola tsy hifampihaino indray ny hery havia sy havanana satria na ny FFKM izay nanao ny fampiantsoana aza nataon’ny fitondrana nangaina sy nanao antso an’efitra azy ireo. Asa izay hiafaran’ity firenena ity, hoy ny goakalahy politika iray izay namehy azy tamin’ity herinandro ity, raha niverina niteny indray satria isika io izany an-dalana ny hamerina ny tantara efa namotika dia ilay mbola tsy hifampihaino indray!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT