Edito

Mbola tsy afaka misioka aloha


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Maha velombolo ny fahenoana fa efa mizotra tsikelikely ho amin’ny fahasalamana ny ampahany betsaka amin’ireo voambara ofisialy fa tratrin’ilay aretina COVID19 hatreto.

Na izany na tsy izany dia mbola mitohy ny ahiahin’ny mpiara-belona mikasika ny mety ho avin’ity firenena malagasy ity aorian’izao sendra handalovany izao. Ho voafehin’ny fitondram-panjakana haingana ve izy ity sa tsia? Tena voara-mason’ny fitondram-panjakana araka ny tokony ho izy tokoa ve ny toe-pahasalaman’ny rehetra, indrindra, fa ireo mbola ahiahiana sy tiliana? Fanontaniana isan’ny mipetraka izany. Ny zava-dehibe aloha dia nampihena tamin’ny ampahany betsaka ny tebiteby ny fahenoana ny vaovao omaly. Tsy azo atao anefa ny misioka mbola tsy tafavoakan’ny ala, hoy ny kolontsaina malagasy izay. Mbola mitohy ny famonoana afo satria samy mbola anaty trano may. Antony io tsy hifanomezan-tsiny, araka an’ilay efa ambara ombieny ombieny, fa hifanomezan-tanana ny amin’ny mba tsy hiparitahan’izay afo izay sy hamonoana azy tanteraka. Mbola mila tohizana ny fanajana ny elanelana iray metatra ho an’ireo izay tsy maintsy mivoaka ny fonenany sy ny fanaovana tampim-bava. Tsy adino ihany koa fa natao ho an’ny rehetra ny fanasana tanana amin’ny fomba mahomby natoron’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny rano sy savony matetika. Ny fihinanana sakafo mitondra otrikaina sy hery fiarovana toy ny voankazo sy legioma. Ireny rehetra ireny izany no heverina fa isan’ny solon’ny rano natao hifehezana sy hamonoana tanteraka ny afo antsoina hoe COVID19 na Coronavirus mandoro an’ity Madagasikara ity aloha hatreto. Izay no tokony hifanomezan-tanana sy hifanentanana fa ny heverina ho tena fitiavan-tanindrazana indrindra, hoy ilay minisitra iray izay, dia ny fijanonana any an-tokantranony avy. Efa fahadisoana im-betsaka teto ny fanaovana mandrimandry manana aretina ka na maro aza no mihevitra fa ny mpitondra no tena tompon’antoka tao anatin’ireny dia fotoana izany izao hanehoan’ny vahoaka kosa fa mahay miara-mientana izy hanavotany ny fireneny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT