Edito

Mbola tiana ho potehina kokoa ve ny firenena ?


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Efa dimy arivo mahery ny sandan’ny euro noho ny fitiavan’ny fitondrana ankehitriny manafatra fa tsy mamokatra.

Ny orinasam-panjakana maty tahaka ny AIR MADAGASCAR tsy ho lazaina intsony satria dia maro dia maro ireo asa very noho ny fidanganan’ny saram-piaramanidina ka nampihena tanteraka ireo mpizahatany. Efa mihena isan’andro ny fandehanan’ny herinaratra noho ny JIRAMA ka maro ireo orin’asa madinika tahaka ny fivarotana sakafo sy ny asa-tanana no potika sy maty. Efa mitombo avo roa heny ny vidim-piainana isan’andro raha oharina tamin’ny taona 2018. Raha nanantena sy niandry ny vahoaka hoe hibaboka ny filoham-pirenena manoloana ireo hadisoana maro vitany sy ireo fampanantenana maro tsy tanteraka dia “werawera’ sy ny “fizahozahoana” hatrany no natao ary niampy fampanantenana indray ireo zavatra efa tsy vita raha nanao valan-dresaka halina. Tsy misy tsy mahatadidy ny fampanantenana tamin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 41 sy ny faha 13 izay nanambarany mazava fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vitany ireo, nefa dia nodiana tsy hita ary dia nolazaina fa tsy vita fotoana fohy ireo asa ireo. Ary ny tena nanahirana dia ny famerimberenana ny resam-pinoana nefa ny fampanantenana poak’aty dia mandeha sy mitohy foana. Angamba mbola mitady dimy taona hafa ve izy hanimbana bebe kokoa ny firenena ?
Tahina RAZAFINJOELINA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT