Edito

Mbola seza aloha izao no mahaseriny !


  • Talata 27 Febroary 2024

Tsy maniry ratsy ho an’ny Firenena, fa maneno sahona ny zava-drehetra

amin’ny ankampobeny. Tena efa tsy takona hafenina fa efa iainana sy miantraika amin’ny fiainana andavanandro ny ngidin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Zary mbola fanesoana antsika aloha hatreto ny teny atao filamatra hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso » satria tsy mifanaraka amin’izany ny toetra amam-pihetsika ary ny fomba entin’ny mpitondra mitantana ny firenena. Mena ny ankamaroan’ny tondro : toekarena, harin-karena isam-batan’olona, fanjarian-tsakafo, ady amin’ny kolikoly, fotodrafitrasa toy ny làlana,… Adala sy mpanohitra ve ny avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mamoaka ireo tondro sy tarehimarika maneho fa mihemotra sy mila manova fomba fiasa i Madagasikara ? Mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve misy faritra tafakatra hatrany amin’ny 2000Ar ny kapoakan’ny vary noho ny tsy fanamboaran-dalàna, tsy firindrana na tsy fisian’ny politikam-pamokarana, tsy fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana,… Nisy ny fampanantenana zavatra maro ao anatin’ny 100 andro izay efa akaiky ny fisasahany, saingy indrisy fa miha mitolefika hatrany ny fiainam-bahoaka. Ny kajy politika hahazoana seza maro aloha izao no toa masaka an-doha fa izay famahana olana tena mbola lavitry ny kitay aloha ny afo. Tena efa hampidirina lasitra iray ve ny Malagasy ka heverina hatrany fa tambazana koveta na fanomezana tsy mahavita taona dia milamina indray ny 5 taona manaraka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT