Dia ahoana indray izany izao no mety ho tohiny, fa toa mifanontona eto Madagasikara ireo mpanelanelana dia ny iraky ny Troika sy ny avy amin’ny COI na ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina izany.
Tonga eto koa ny Dr Simao. Ny Troika milaza fa tsy misy resaka sonia izany amin’ny fandaharam-potoan’izy ireo fa hanohy ny fanampiana ny samy Malagasy mba hahitan’izy ireo ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy. “Tsy izahay no hanasonia ny sori-dalana”, hoy ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo fa ny Malagasy. Rtoa Yvette Sylla minisitry ny raharaham-bahinin’ny FAT anefa efa nilaza ny alahady teo fa amin’ny zoma ho avy izao ny sonia, ary hisy minisitry ny raharaham-bahiny avy amin’ireo firenena ao amin’ny SADC dia hanatrika izany. Tamin’ny vaovao navoakany omaly koa dia efa nanamafy an’io koa ny RFI (Radio France Internationale). I Andry Rajoelina aza moa dia nanome daty sy ora fa ny zoma 16 septambra amin’ny efatra ka hatramin’ny enina ora hariva no hanatanterahana ny sonia, na tsy nambarany aza ny toerana hanaovana azy sy ireo handray anjara amin’izany. Dia mipetraka eto ny fanontaniana hoe : ho avy amin’ity herinandro ity eto Madagasikara ve izany Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ?
Anisan’ireo tsy maintsy hanasonia ny sori-dalana izy ireo amin’ny maha filohan’ankolafy azy. Ny filohan’ny ankolafy politika ihany mantsy no manasonia fifanarahana goavana tahaka itony fa tsy hoe solontena tsy akory. Sa ve noho ny tsy maintsy mbola hanohizana ny fifampidinihana dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka indray ny sonia ? Tsy zava-baovao izany fa efa fahita matetika tato anatin’ny telo taona latsaka kely izao. Raha ny tenin’ny Dr Leonardo Simao aza dia tokony ho efa tamin’ny faran’ny volana jolay no vita io sonia io. Ny mampieritreritra ihany koa dia ity fahatongavan’ny COI eto amintsika ity, izay efa iaraha-mahalala fa iraky ny Frantsay ary efa tsinjo hatry ny ela fa manohana ny fanapahan-kevitry ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina no sady miezaka ny mandresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena mba hanaiky amin’izay ny fitondrana tetezamita mijoro eto, na ao anatin’izany na tsia ny mpanohitra.
Ankoatr’izay dia mbola misy ihany koa ny fifampidinihan’ireo mpanao politika malagasy avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mbola andrasana koa ny zavatra mety hataon’ny CNOSC sy ny Raiamandreny Mijoro. Ny fitakiana isan-karazany anefa mitohy ihany, izay mifanandrify amin’ny mampafampana ny tontolo politika misy. Dia tena hisy raha hitranga tokoa izany amin’ity herinandro ity satria raha hatao marina ny sonia dia tokony hiverina eto ireo filoha roa mbola tavela any ivelany. Raha tanterahana tsy misy azy ireo ny sonia dia mbola hafa no mety ho tohin’ny tantara satria azo antoka fa tsy hipetra-potsiny ny Amiraly sy i Dada. Raha ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny sonia dia midika izany fa mihemotra koa ny fifidianana ary mety tsy ho tratra amin’ity taona ity mihitsy. Mbola sarotra ny tombantombana satria samy manana ny paikadiny ireo etamazaoro politika ary ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa dia mailo fatratra amin’ny fomba fiasany ka tsy fantatra mazava ny tena heviny fa atsipiny aty amin’ny samy Malagasy foana ny baolina, ny eny ambony kianja anefa mbola somary misavoritaka ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.