Edito

Mbola sarotra


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2012

Miditra amina herinandro vaovao iray indray isika. Anisan’ny hiantefan’ny sain’ny panara-baovao amin’ity herinandro ity ny mety ho tohin’ny diniky ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha.

«2è tour» na fihodinana faharona no hitranga ary miandrandra amin’izay ny besinimaro fa mba hisy ny fehin-kevitra ifaneken’ny roa tonta ka hamoahana fanambarana iombonana. Izay ilay taratry ny fampihavanam-pirenena, fototra tsy maintsy hiaingana amin’ny fanorenana firenena vaovao, lavitry ny krizy sy ny fifandroritana. Toa efa mba nisy ihany ny sombintsombina marimaritra iraisana tany Seychelles, tamin’ilay fihaonana voalohany. Koa manantena ny maro fa hivoatra sy hihatsara kokoa ny fihaonana faharoa eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina; ary raha toa ka ho avy eto Madagasikara amin’ity herinandro ity i Marius Fransman dia manantena ny rehetra fa hitondra vahaolana sahady izy, fa tsy sanatria hanasarotra ny fihaonana manaraka. Tena henjana ny fiantraikan’ny krizy eto Madagasikara, na dia tsy mbola misy ady an-trano tahaka ny fahita atsy Afrika aza eto. Efa tena reraka sy leo ny vahoaka, ka te hahafantatra ny lohany mitarika eto.

Ankoatra izay dia mba mampanontany tena ihany hoe : misy mpitondra ve eto ? Msy mpanohitra ve eto ? Mbola misy ihany ve ny tia Tanindrazana sa mpanao sinema no betsaka ? Fanontaniana saro-baliana ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena, satria maro be loatra ireo mistery, be loatra ny sarin’ady, ary be resaka loatra ny mpanao politika, ka sarotra ny manavaka ny marina sy ny diso. Mbola sarotra e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT