Edito

Mbola salama saina ihany ve ?


  • Zoma 25 Mey 2018

Mbola salama saina ihany ve ny mpitondra antsika eto amin’ity firenena ity e ? Mbola tena tompon’ny tenany ihany ve ny filohantsika ?


 Mbola filoham-pirenena mantsy aloha izy hatreto. Dia mbola vitany tokoa mantsy ny nilaza sy toa nandranitra fa mahatoky ny fiarovan-tena nataony, hono, ilay rangahy iny eo anatrehan’ny fanenjehana sy ny fitakiana ny fialany eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana sy ny resaka ra mandriaka. Tsy efa fanaovana tsinontsinona sy fandranitana ary tena fizahozahoana tanteraka ve izany noho ny fiheverana fa mbola mafy sy afa-miaro tena satria mahatsapa fa mbola eny am-pelatanana angamba ny fahefana. Mirarakopana tanteraka ny fanadiovan-tena raha dinihina tamin’ilay valandresaka nataon’ny filoha tamin’ny mpanao gazety Frantsay, izay toa manambany ankitsirano ny tolom-bahoaka eny an-kianja. Tena mba efa voadinika sy efa voalanjalanja ve ny tenin’ny filoha sa toy ilay telo volana dia voavahako ny delestazy, porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy ihany ? Efa tsy atao mahagaga intsony fa miverina hatrany ilay fanontaniana ary amin’ny lohateny e ! Hirehareha sy hihantsy ady indray izany izao rahampitso fa hoe mahazo vahoaka na malaza aza fa volabe no hafafy. Hisy indray ve ny fifarombahana kabaro sy vary tsy mahavita taona ? Indrisy fa hararaotina amin’ny tsy fananany ny Malagasy, ka domina tapany hatrany handoa erany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT