Edito

Mbola sahy ihany ve ?


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Mbola misavoritaka aloha hatreto ny tontolo politika eto Madagasikara. Tsy miova amin’ny fomba fanaony ny mpanao politika, ary dia miha mipoitra isan’andro eny ihany ireo mpikarama an’ady politika.

 Dia ireny mandany andro mivory eny Ambohitsorohitra ireny. Efa nahafantatra mialoha izy rehetra ireo fa tsy maintsy mbola miandry ny SADC ny fanatanterahana ilay sori-dalana kanefa dia mbola nisisika hanolotra anarana ihany izy ireo. Dia mipoitra ny fifandirana sy tsy fifankahazoan-kevitra, dia efa mazava ny vahaolana araka ny voasoratra ao amin’ilay sori-dalana nosoniavina fa ny SADC no mandamina sy manelaneana raha toa ka misy ny fandikana na fandraisana tsy mitovy ny andininy ao amin’ny sori-dalana. Dia mahagaga ihany ny mandre ireo mpanao politika sasany milaza fa aleo atao ady gasy amin’izay fa efa vita izay ny an’ny SADC. Mailaka ery manao sonia, kanefa tsy arahana akory izay nosoniavina.

Mazava koa izao fa mbola hitombo ihany ireo mpanao politika avy any amin’ny Ankolafy 3 hivadika tsimoramora hanohana an’i Andry Rajoelina, ka mety ho izay koa angamba ny antony hampitarazohana ny famahana ny krizy satria rehefa ela ny ela mety hidodododo eny Ambohitsorohitra ny ankamaroan’ireo mpanao politikan’ny Ankolafy 3 dia ireo filoham-pirenena 3 mirahalahy teo aloha sisa no ho tavela eo ! Fomba fiady amin’ny resaka politika koa mantsy ny lazon’ady, ny ankamaroan’ny mpanao politika malagasy rahateo tsy dia manana firehana iray mazava izany, fa arakaraka ny zava-mitranga ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo. Arema daholo tamin’ny fotoan’androny, avy eo nivadika TIM daholo, dia izao TGV indray no malaza dia mirona any ny rehetra.

Tena mbola lavitr’ezaka ny fanovana ary sarotra ny lalana satria ankehitriny dia ireo olona nilaza fa hanova zavatra mihitsy no lasa manaotao foana sy mamerina ny tsy nety nambara fa nataon’ny teo aloha. Manomboka tsapan’ny maro koa amin’izao fotoana fa tsy mahafehy ny olony sy ny mpiara-miasa aminy i Andry Rajoelina. Maro be koa ireo mpanolotsaina mampijabaka azy, izy rahateo moa mafy loha mpiziriziry lava, dia izao no vokany. Ny samy manampahefana no miady an-trano. Malaza ratsy amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona sy ny trafikana vato sarobidy ny mpikambana CST. Minisitra maromaro no fantatra fa lasa mpanankarena tampoka. Midehaka eran’ny tanàna ireo olona milaza azy fa mahafantatra, na fianakavian’ny filohan’ny FAT, hono, ka tsy azo atao na inona na inona fa dia izay tian’izy ireo ihany no ataony. Mikorontana ny fanjakana. Dia mbola sahy hiteny ihany ve Atoa Andry Rajoelina fa mahavita irery mamaha izao krizy izao, kanefa na ny manodidina azy aza mifanipaka toa valala an-karona ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT