Mbola sahy hiteny ve fa mety izao ?

Inona marina moa izany ny zavatra


  • Talata 15 Oktobra 2024

tena mandeha sy milamina ary tsy misy olana eto ?

Inona sehatra tena mbola marin-toerana sy tsy mba misy olana ? Toa maneno sahona ny zava-drehetra miainga any amin’ny fiainam-pirenena ankampobeny, ny toekarena, sosialiam-bahoaka, vidim-piainana, fandriampahalemana, jiro sy rano, eny fa hatramin’ny baolina kitra aza mitolefika. Dia mbola sahy ihany ve ny mpitondra fa mandroso ny Firenena ? Mbola sahy milaza hatrany amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao fa mila olom-boafidy iray antoko sy mahay mifanara-tsaina amin’ny fitondrana ? Dia mbola tadiavina hoentina amin’ny fanaovana takalon’aina politika ny raharaham-pirenena, ka mandeha ny fivoizana sy filazana fa ny zanaka ao an-trano aloha no ampiana vao ny zanak’anabavy rehefa ho avy ny fanampiana ny kaominina ka tsy ampy ho an’ny rehetra ny enti-manana. Asa mbola mendrika ho Raiamandrenin’ny Firenena ve ny mpitondra manao izany sa efa Raiamandrenin’Antoko ? Fa moa tokoa ve ao anatin’izao fahasahiranana mandifotr’olona izao tsy efa lasibatra daholo na volomboasary na volondavenona eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana e ? Marina fa mandeha ny kitositosika sy kitsijotsinjo na koa ny kitsimbitsimbina izay ampifanarahana amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana, saingy zary lasa fanomezana misy poizina ireny, raha tarafina amin’ny fitantanana ny firenena avy eo. Zary lasa fanakombonana vavam-bahoaka, fandraviravizana azy zavatra tsy mahavita taona fa ny anio ihany, saingy vidian-dafo ao anatin’ny 5 taona manaraka. Tsy mbola tara isika raha izao no mifoha, miova, manova, mijery lavitra ka ny hoavin’ny tanàna sy ny Firenena no jerena fa tsy ny indray mahandro anio, fa mandavan-taona handry fotsy na hihinana ihany fa tapa-tsinahy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT