Edito

Mbola politika ve ?


  • Alakamisy 01 Jona 2017

Mahatsikaiky ihany ho an’ireo olona tsy dia sarotim-po loatra saingy mahasorena kosa ho an’ireo sarangan’olona leo famitaham-bahoaka sy tena mahalala ny atao hoe politika ny mandre fa niompana tamin’ny “vatsin’Ankohonana” no tena nandaniana ny volam-panjakana hatreto.

Mampatsiahy sahady ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra teo aloha izay vao tamin’ny talata teo hoe asa sosialy ve no tokony ho laharam-pahamehana sa fotodrafitrasa maharitra. Marina fa heno tamin’ny tatitry ny avy eo anivon’ny governemanta teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ihany omaly ny tarehimarika sasantsasany milaza fa fotodrafitrasa nahatratra 300 no vita mikasika ny resaka tetikasa fitsinjaram-pahefana eny anivon’ireo kaominina. Vola mitentina 2,50 miliara ariary, hoy ny tatitra, no lany nanamboarana lalankely sy trano fivoahana saingy ireo depiote izay nanontaniana anefa saika nitatitra avokoa fa tsy naheno ny akon’izany tamin’ireo vahoakany. Mbola politika tokoa ve ilay atao sa tapi-maso ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT