Mandritry ny herinandro raha kely indrindra, dia ny mikasika ny filoham-pirenena vaovao foana no resaka eny amin’ny fiarahamonina sy tambajotran-tserasera eny, raha politika no resahana.
Ny mpankasitraka hilaza fa nahazo filoham-pirenena vaovao lanim-bahoaka na lanin’ny maro an’isa isika. Ireo tsy mankasitraka dia ao ny hilaza fa didy tsy azo hivalozana iny ka ekena na dia tsy fidiny aza. Tsy folaka fa milefitra, hoy ny mpamakafaka sasany, ilay kandida nanaiky ho resy. Efa hatramin’ny fiandohan’ny fikarakarana ny voka-pifidianana ka hatramin’izao kosa anefa dia voambolana roa nalaza sy inoana fa tsy ho afaka an-dohan’ireo nanaraka ny raharaham-pirenena ny teny hoe « hosoka » sy « fahamarinana ». Tsy afaka ny hijery azy toy ny filoham-pirenena aho, hoy ny mpanao politika iray, satria hosoka no nahalany azy. Lany ho filoham-pirenena tokoa ve sa nolaniana ? Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no efa niteny fa tsy nisy azo noraisina ireo fitarainana sy fitoriana ary hatramina lalàna avy any ampita izay tsy antsika aza nampiasaina nentina nanamarinana izany. Na dia niharihary aza fa tsy nifandanja ny herijika nentina nanatontosa fampielezan-kevitra tany am-piandohana ary tsy voara-maso ny fandanian’ilay kandida iray dia nolazaina fa tsy naninona ihany. Azo raisina fa tsy mitombina moa no voambolana nalaza tamin’ireny. Nolavina mihitsy kosa ny tamin’ilay farany teo na dia efa nampivarahontsana aza ny nahita ireo halatra marobe nirentirenty tamin’ny tambajotran-tserasera sy efa naseho ampahibemaso tamin’ny fahitalavitra lehibe teny. Saingy sahy nilaza ireo rafitra napetraka hikarakara ny fifidianana fa nangarahara indrindra tamin’izay nandalo rehetra izy iny ka dia izay izany. Lanim-bahoaka, hono, ny filoha vaovao. Antsasa-manilan’ireo 48% tonga nifidy no azy ary mbola misy ny ahiahy tsy misinda. Lany sa nolaniana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.