Edito

Mbola mitaredretra ihany !


  • Talata 14 Janoary 2020

Feno ny fepetra ara-politika ananan’ny fanjakana ankehitriny fahefana hampandroso an’i Madagasikara. Malalaka tamin’ny fisafidianana ny ekipany ny filoha,

 

 

 nahazo maro an’isa tamin’ny fifidianana depiote, nitohy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Azy ny hery sy ny fahefana na dia ny 60% tamin’ny olom-pirenena mpifidy aza tsy naneho ny safidiny. Hajaina sy toavina ny ara-dalàna sy ny sata ara-demokratika hoe: io no filoha, ireo ny olom-boafidy na mety azo hiadian-kevitra aza ny fomba nahalany azyy fa efa izay aloha ny zava-misy. Efa ireo izao no eo, dia avela hiasa. Fa iza moa no manakana azy ireo tsy hiasa ? Ny nambara tany aloha dia ny mpanohitra no fototry ny olana rehetra. Zary lasa anton-draharahan’ny mpitondra ny manenjika mpanohitra. Endriky ny demokrasia ny fanakianana ary tena anjara asan’ny mpanohitra. Ny fanoherana tsy voatery ho adika be fahatany ho fanonganana na fanakorontanana fa kosa fanairana sy harofanina ho an’ny mpitondra. Maro ny fampanantenana natao, nirarakopana ny velirano,... ka ho lasa paradisa kely i Madagasikara raha ny fakana fom-bahoaka tany anaty fampielezan-kevitra no tanteraka avokoa. Raha ny zavatra noresahina sy nambara fa hatao tamin’ny 2019 iny fotsiny anefa, dia ny 90% no tsy tanteraka. Ny olana misy aza tsy voavaha, mainka fa ireo zavatra lavitra ezaka ampanantenaina. Ny fanatanterahana velirano no tokony ho laharam-pahamehana voalohany indrindra, ka sao ho diso adversera lany andro fotsiny manenjika mpanohitra ? Raha hangina ny mpanohitra dia izay indray no henjehina ? Toa mahagaga ihany mantsy ilay fitadiavana atidoha na “cerveaux” satria tsy araka ny fampandrosoana nampanantenaina ny miseho fa tena mitaredretra. Efa nambara fa niomana 4 taona. Tsy herintaona tokoa ny fe-potoana iasana fa dimy taona, saingy aleo tsy miteniteny foana amin’ny zavatra mety tsy ho vita, toy izay hampanantena poak’aty lava izao e !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT