Edito

Mbola misy tsy mazava


  • Talata 12 Janoary 2016

Samy nisento tokana ny rehetra rehefa nahafantatra halina fa votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny i Arnaud, ilay tovolahy 17 notazonina niaraka tamin’ny anabaviny izay efa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana moa.


Hanazava misimisy kokoa momba ity raharaha ity ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina ary dia ho hita eo satria mbola sombitsombim-baovao fotsiny no voaangona sy azon’ny mpanao gazety omaly. Misy koa moa ny tsy maintsy fanajana ny lalàna sy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana amina raharaha tahaka itony. Maro ny resaka re momba ity raharaha « kidnapping » tany Toamasina ity. Voalohany amin’ireny ny fidangan’ny vola nangatahan’ireo mpaka an-keriny tany am-boalohany (4 tapitrisa euros) ary nahoana no io tarehimarika io mihitsy ilay izy fa tsy 3 na 5 tapitrisa euros, ohatra ? Nisy ihany koa ny mpandraharaha, mpiasan’ny fitsarana, mpitandro ny filaminana, mpandraharaha ny fonja efa migadra voatonona tao anatin’ity raharaha ity. Ahoana ny momba azy ireny ? Inoana fa mbola hisy ny fanadihadiana fanampiny ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana satria mbola maro ny resaka manjavozavo. Raha tsy hoe mangina ho azy eny indray tahaka ireo dosie mafampana rehetra nisy hatrizay ny raharaha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT