Edito

Mbola misy tolona goavana


  • Zoma 08 Jona 2018

Miandry ny fahaterahan’ny governemanta vaovao ny rehetra. Hifandraika amin’ny tolona sy ny fitakiana natao amin’izay sa ny omaly tsy miova ?

Tany amin’ny fanendrena ny praiminisitra mantsy, dia ireny niaraha-nahita ireny ny somary lonilony teo amin’ny depiote, ka na ny mpiray antokoa aza nisy ny nahafantatra, fa tao kosa ny sanganehana tsy nahalala izay ambonin’ny tany. Voalamina sy tsy hiadian-kevitra intsony iny, fa aty anaty governemanta indray mifampitazana e ! Fa ny fanontaniana mipetraka hatreto, dia ny hoe tena hivoaka tokoa ve ny tolona aorian’ny fitsanganan’ny governemanta eo ? Inona ohatra no antoka hilazana fa tena hisy tokoa ny fifidianana madio sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara ? Raha hiverenana hatrany ny tantara dia resaka lalàm-pifidianana no niantombohan’ny tolona noho ny kajikajy maloton’ny HVM hitazona mora foana ny fahefana. Mety efa lavo amin’ny ampahany ny fitondrana Rajaonarimampianina, saingy ny rafitra maro aloha tsy mbola voadio eto.  Mbola manangasanga eo hatrany hatrany kosa ny vahiny izay toa mbola mandidy sy manapaka eto. Na ny heverina ho manana hazon-damosina amin’ireo mpitondra antsika aza, toa tsy afa-manoatra e ! Tsy tena ampy hitsarana ny fahombiazan’ny tolona aloha ny faharavan’ny governemanta na efa zava-dehibe aza, fa mbola tolona sy ady goavana ny tena hampangarahara ny fifidianana sy hisian’ny tena safidim-bahoaka, fa tsy saritsarim-pifidianana sy saribakoly tsara homana no efa miandry hapetraka eo. Mbola misy tolona goavana miandry antsika e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT