Edito

Mbola misy mpitondra ihany ve ?


  • Zoma 01 Aprily 2016

Ny fisian’ny fivorian’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra no antenain’ny mpitondra fanjakana Malagasy fa mety hanala ny kaompania Air Madagasikara ao anatin’ny « Annexe B » tsy hahafahan’ireo fiaramanidintsika misidina any eoropa


. Ary raha tsy nisy Franôfônia moa izany dia ahoana ? Nambara fa tena mamely ny kere any Atsimo ary niantso fanampiana iraisam-pirenena ny governemanta Malagasy, tsy nisy namaly ny antso fa dia ny samy eto an-toerana ihany no manampy ny Bngrc. Nolazaina fa tsy nisy olona maty na tsy hita popoka izany tany amin’ilay kariera tany Anjozorobe kanefa nisy ny raharaham-pihavanana sy fifandaminana natao, fa nahoana ary ? Efa ela ihany izay nandrenesana fanovana governemanta izay fa dia tsy nisy nihetsika na minisitra iray aza hatreto ary ilay hoe fanoloana praiminisitra dia nangina tanteraka teo. Efa hita mibaribary izao anefa fa maro ny minisitera tsy mahavita ny asany. Tsy efa faharesena ho an’ny governemanta ve ny tsy fahazoana famatsiam-bola hanatanterahana ilay fandaharansa PND, fa dia samy milamin-tsaina eo amin’ny sezany daholo ny rehetra e ! Asa raha mbola misy manampahefana tena tompon’andraikitra ihany eto na tsia, fa raha ny fahitana azy aloha dia mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena ary toa lasa minomino foana manantena tsy misy izany ireo milaza azy fa mpitantana fa tsy manana vahaolana matotra sy mahomby mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT