Edito

Mbola misy feon’ny fieritreretana ve ?


  • Talata 28 Novambra 2023

Manjavozavo tanteraka ny làlan-kizoran’ny firenena Malagasy.

Eo am-piandrasana ny fanamafisana ny voka-pifidianana izay heverina fa tsy hiova firy intsony, fa dia fanamafisana sisa no andrasan’ny mpitondra amin’ny rafitra izay ananany antoka tanteraka. Izay hambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no hamaritra ny fomba fanao ara-politika eto. Kely ny finoana sy fanantenana fa tena hisy ny fanapahan-kevitra hentitra sy mafonja tahaka ny fanafoanana fifidianana nataon’ny kandida iray, izay nanatsikafona fa nisy ny kolikoly sy hosoka, ary fifidianana efa voaomana no nisy. Hatramin’ny omaly tolakandro dia miisa 9 teo ny fitoriana saingy mampanahy ny hiverenen’ny sary tamin’ny 2018 dia ny azo raisina fa tsy mitombina, fa ny fomba hitondrana azy no mety ho samihafa. Io izany no hamaritra ny hoe : raha ekena araka ny ahiahin’ny maro, dia midika fa ekena ny kolikolim-pifidianana, hitsahina ny soatoavina demokratika, manan-kery ny herisetra sy famoretana ary fandratrana sy fanagadrana mialohan’ny fifidianana. Eo amin’ny fomba fitantanana, dia toa efa mipetraka ny vato fototra sy andrin’ny kolikoly ao anatin’ny 5 taona manaraka raha tarafina amin’ireny volamena nivadika korontam-by, ny kolikoly goavana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona nahasaringotra olona ambony, ny fitantanana tsy mahomby nampitolefika ireo orinasam-panjakana tahaka ny Jirama sy ny CNaPS,… Tsy resaka tsy fitiavana na fankahalana olona na vondron’olona, fa tena tsy mba misy feon’ny fieritreretana mihitsy ve eo amin’ireo ambara fa tompon’ny teny farany eo anatrehan’izao efa tsy fanjariana tapitr’ohatra ity ? Io izao dia mbola nosokajian’ny Banky iraisam-pirenena ho firenena voalohany fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany isika ? Efa betsaka no tonga saina sy mijoro saingy manambana amin’ny hitsin-dàlana ho an’izay mitady hanelingelina azy ny be sandry ! Sao mba hidona amin’ny rindrina ihany no hiafarana e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT