Edito

Mbola misy


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010


Ao amin’ny Fiangonana no mbola ahitana firaisankinan’ny Malagasy, koa dia ataon’ny FAT, sy ny firenena vahiny ao andamosiny, izay hampisaratsaraka azy. Ny fivavahana kristianina no anisan’ny fitaovana nampidirana ny fanjanahana teto Madagasikara. Nanao politika izy tamin’izany, ankehitriny tsy avela hanao. Nivadika ny rasa fa ireo kristianina natao ho boloky no lasa tia tanindrazana nampiasa ny kristianisma hiadiana tamin’ny fanandevozana ankolaka, hiadiana amin’ny fanjanahana mivantana sy miafina (néocolonialisme). Dia izao sakantsakanana izao. Nisy tokoa ireo pasitera malaza nitolona, nampianatra, namoha ny mason’ny Malagasy (Andrianaivoravelona, Rabary, Ravelojaona...). Fa koa, ny fanjanahana namorona mpitondra fivavahana tia vola, tia voninahitra, miseho izany rehefa misy ny fasahiranana, mivoaka ny tena ao am-pon’ny tsirairay. Ny mampalahelo dia mbola misy mpanaraka izy ireny, jamban’ny kabary sy toriteny tsara lahatra, tsy mijery lavitra fa ahetry lava, tsy mitraka fa «mpanota», atao mpanao «oui mosé», tsy ho olona afaka mihitsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT