Edito

Mbola mistery


  • Alarobia 28 Desambra 2011

25 andro izay no lasa, tsy misy mangirana ny amin’ilay satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona I nisy naka tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny alahady 4 desambra vao mangirandratsy.

 Natao ny fampitandremana, nisy koa ny valisoa 100 tapitrisa ariary ho an’ny loharanom-baovao ahafahana mahita ilay vakoka fa tsy nahitam-bokatra. Nisy olona nosamborina ary nampidirina am-ponja nefa tsy nampiverina ilay satroboninahitra. Nanentana ny Malagasy ny minisitra, Elia Ravelomanantsoa, mba hifanome tanana amin’ny fitadiavana io vakoka io, fa tsy nisy akony izany. Nitroatra ireo taranak’Andriana, ary nanao hetsika ho mariky ny alahelo sy fisaonana teny Anatirova fa tsy nahitam-bokatra hatreto. Tohina ny fon’Antananarivo ary samy naneho fihetseham-po teny ny Malagasy maro, saingy dia toa herinandro teo ihany izany dia lefy ary dia mijanona ho mistery mandrak’ity ny anio ny fahaverezan’ilay satroboninahitra. Mba nahagaga ihany mantsy hoe, maro ny vakoka tehirizina ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay tapaporohana sisa tsy may tao Anatirova tamin’ny 6 novambra 1995, nefa dia io satroboninahitra io no nokendren’ireo mpandroba. Mampieritreritra !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT