Iray andro mialoha ny krismasy dia mbola misafotofoto be ihany ny toe-draharaham-pirenena.
Tahaka ny milamindamin-dratsy ny ao ambonimbony ao. Manomboka miseho vahoaka ny fifanipahan-kevitra eo amin'ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra. Lasa lamaody ny fangatahana fametraham-pialana minisitra izatsy na izaroa. Na dia efa misy aza ny fepetra noraisina dia mitombo isa ireo mahita fa rariny sy hitsiny raha samy miala ao anaty governemanta ny minisitry ny polisy sy ny minisitry ny fitsarana, satria samy nanana andraikitra tamin'ny zava-nitranga tany Toliara sy amin'izao fitaran'ny krizy izao. Tsy dia tena manisy olana be amin'ny fialany ny minisitry ny polisy, saingy tamana amin'ny sezany kosa ary tsy foin'ny filohan'ny tetezamita esorina ny minisitry ny fitsarana, mpiara-mitolona teny amin'ny 13 mey ary nandray anjara mavitrika tamin'ny fanonganam-panjakana telo taona lasa izay.
Tsy hanaiky lembenana ihany koa ireo mpiasam-panjakana ambony fa mitaky ny hametrahana ny tany tan-dalàna. Efa tongotra mby an-dakana ihany koa ny an'ny mpitsara ka tsy mety amin'izy ireo intsony ny miverin-dalana amin'ny fitakiany. Dia misafotofoto be eo ilay toe-draharaha, tahaka ny manao an-kiafina ireo tomponandraiki-panjakana ambony dia ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Beriziky izany, samy tsy misy sahy manapa-kevitra hentitra fa dia mangatak'andro lava, dia aorian'ny fifampiarahabana ny fahatrarana ny taona indray izany vao atsangana ny komity manokana handinika ny hanatsarana ny asam-panjakana amin'ny ankapobeny.
Etsy ankilan'izay dia nozarazaraina tahaka ny vary mora ny galona ka dia nitombo isa indray ny jeneraly. Mazava be ny resaka eto fa pi-maso sy karazana fanambantambazana ny foloalindahy no anton'izany. Maro mantsy no efa mimenomenona any an-dakazerina any ny amin'ny fanagadrana ireo manamboninahitra sy vata-miaramila sy ny tsy mbola nitsarana azy ireo. Manamboninahitra roa dia ny kolonely Charles sy Coutiti no tena marary mafy ka hita ho nikorapaka nitsabo ny fitondram-panjakana, satria tena ho raharaha no hitranga eto raha sanatria ka maty mialoha ny faran'ny taona izy ireo. Tena hisy akony politika ratsy ho an'i Andry Rajoelina izany rehetra izany ka tsy mahagaga raha misomebiseby mitady vahaolana ny ao an-dapa ao. Mifanindran-dalana amin'izay dia andrasana tsy ho ela ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay tsy mbola eken'ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny foloalindahy, ary azo antoka fa mbola hihamafy ny fanakanana sy NOTAM amin'ny endriny hafa amin'izao nampitomboana ny galona izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.