Iza no olon’ny frantsay?
Iza no bibidia mitafy hodi-janak’ondry? Iza avy ireo forongony tsy mikasa afa-tsy ny hahamaty momoka ilay tolona nisy farany teo? Karazana fanontaniana manitikitika mpanara-baovao maro izany amin’izao fotoana izao ary ny valin’izany rehetra izany koa nefa dia mety ho ahiahin’ireo mahatsiaro tena ho voatosi-bohon-tanana ihany taorian’ny fahavitàn’izay nantsoina hoe «tolona» izay. Misy tafiditra ao anatin’ilay fitondràna mijoro no lazaina fa forongon’ny teo aloha ihany ary voalaza koa fa maro izy ireo. Misy ireo ambara ho efa manana kajy politika hafa mihitsy. Maro, hoy ny fikambanan’ireo tanora nilaza azy ho nitolona sasany, ny ketriketrika mandeha any ambadika any. Raha fehezina izany dia anatina kajy politika marolafy sy samy manana ny azy ny karazan-tsehatr’olompirenena, izay tsy mifidy saranga sy sehatra misy azy ireo intsony. Na tanora mpisehatra amin’ny ara-tsosialy io. Na fiarahamonim-pirenena na fikambanam-pivavahana na mpanao politika na iza na iza dia betsaka no hita ho mba efa miha mivaky loha amin’ny tokony ho politika vaovao hivoitra eto amin’ity firenena ity. Heverina fa mba efa zava-dehibe aloha ny mahita hoe mitombo ny olompirenena miraharaha politika eto Madagasikara. Mikasa politika maloto sa politika madio? Ho hita miandalana hatrany eo ihany koa ny hoe iza no manao inona fa ny zava-misy aloha izany izao dia mety mbola miara-mitolona ao ny vary sy ny tsiparifary! Mazava be koa io fa mbola mitohy ny tolona. Mbola tazana manelingelina foana ny alok’ireo neverina ho mpanao ampihimambam-pirenena hatramin’izay toy ny firenena frantsay. Fanontaniana matetika heno eny am-bavan’ireo antenaina ho tia tanindrazana ny hoe ahoana no ialàna amin’izany? Ahoana no ialàna tanteraka amin’ireo rafitra mangeja ity firenena ity? Ahoana no ialàna amin’ny fatotr’ireo firenen-dehibe sasany na rafitra iraisampirenena tsy mahay afa-tsy ny mandona fefany andoavana erany eto? Midika izany rehetra izany fa mbola mitohy ny tolona ary tsy maintsy mbola miara-mitolona eto aloha isika izay tonga saina fa tokony ho tena tompon’izao firenena izao tanteraka!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.