Mbola manam-bintana!

Azo lazaina ho mbola manam-bintana


  • Talata 22 Aprily 2025

na «chance» indray izany ny filoham-pirenena malagasy

ankehitriny, indrindra, manomboka amin’io rahampitso io, hanaporofoany fa tena misy fitiavan-tanindrazana marina ao anatiny ao fa tsy lasan-ko vavany fotsiny ilay hoe «Ny fitiavana no lehibe indrindra!». Hirariana mba hisy antony miabo ho an’ity firenena ity izany ireny hita ho fanamaivanana ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena hafa eto amin’ny ranomasimbe indianina izay hiatrika ny fihaonana an-tampony miaraka amin’ny filoham-pirenentsika ny 24 aprily. Indraindraina hatramin’izao io ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay izay hoe hanao fitsidihana ara-panjakàna na «visite d’Etat» eto rahampitso 23 aprily. Etsy amin’ny lapan’ny praiminisitra fahiny, Rainilaiarivony, no ho atao ny fihaonan’ny filoham-pirenena malagasy sy frantsay, raha ny efa fampahafantarana natao ela moa. Lapam-panjakàna izay manana tantara, izay malaza ho tsy tsara, mba tsy ilazàna, hoe tsy nahasoa ny firenena malagasy, raha ny mikasika ny fifampiraharahana nataon’izany firenena malagasy sy frantsay izany no tsaroana. Tsy ho tsiahivina be, noho izany, ny mahakasika izany aloha raha ny momba ny androany satria andrandraina sy antenaina fa hamadika ny tohin’ny tantara manomboka eto ny mpitantana vaovao ity firenena malagasy ity, izay heverina fa ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, Andry Rajoelina, io. Andrasana indray hoe raha niteny izy, 6 taona lasa fa rehefa tsy azo talohan’ny fankalazàna ny 26 jona tamin’izany ireo nosy manodidina an’i Madagasikara dia tsy ho azo intsony. Andrasana indray, noho izany, eto ny ho afitsony hoe hanamarina tokoa ve fa nomen’ny fitondrany ambongadiny ny frantsay izay nosy malagasy, araka ny voasoratra tamin’ny 1979 ao amin’ny ONU, izay sa mba ho sahy handon-databatra amin’ny fitondràna frantsay ny fitondràna malagasy hoe avereno aminay amin’izay ny taninay fa efa be izay tombontsoa notrohanareo tao izay. Ohatra iray moa ny mikasika ireo nosy manodidina sy ny fibodoan’ny frantsay azy fa andrasana toy izany hatramin’izao koa ny fihetsik’ity fitondràna malagasy ity mikasika ny fitakiana ireo tanina malagasy bodoin’ny vahiny hafa sy ny famerenana ny tanin’ny malagasy tsotra izao na ny mikasika ny raharaha Sakatia io na Mitsio na ny ao Ankao sy Toliara ao na aiza na aiza.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT