Edito

Mbola mampiesona foana


  • Talata 17 Febroary 2015

Irariana ny ahitana vahaolana mahomby sy maharitra avy amin’ny fampihavanam-pirenena eo ambany fitarihan’ny FFKM. Heverina kosa fa miandrandra filaminana ny rehetra mba hahafahana miaina sy miasa araka ny tokony ho izy. Mandra-piandry izany anefa dia hita ihany ny tsy fifehezan’ny fitondram-panjakana ireo olana ara-tsosialy eto amin’ny firenena ka mahatonga ny olona mitady tsy hahatoky intsony ny fitondrana. Manomboka


mimenomenona ny olona, nambara fa teknisianina mahay sy mahavita azy no nomena toerana. Rehefa jerena anefa ny zava-mitranga toa tsy misy ihany ny asa tena mivaingana vita, araka ny filan’ny olona azy. Lasa resaka ambony latabatra be ny an’ny minisitra sasany, iadian-kevitra ny isan’ny maty noho ny kere any atsimo. Lazaina fa tsy misy ny fanapahana boaderozy any avaratra atsinanan’ny nosy, eny fa na dia hazo iray aza. Nanome toky ny fitondram-panjakana, lohalaharana amin’izany ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra fa ho hentitra amin’ny fiarovana ny harem-pirenena. Toa misy ihany anefa ireo harem-pirenena tafaporitsaka eny Ivato. Natao lamaody teto ny resaka dahalo miova fo, dia hoe tohizana ny fifampiresahana. Ankehitriny anefa miverina indray ny asan-dahalo tahaka ny tamin’ny andron-dRemenabila. Ny famonoan’olona amin’izany indrisy fa efa lasa vaovao mahazatra isan’andro, niverina indray ny delestazy amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Fa resabe fotsiny ve izany no atao eto e ? Maninona raha tsy miteny fotsiny rehefa tsy mahavita na miala mihitsy rehefa tena tsy zakan’ny atidoha ilay mitantana firenena e !

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT