Azo ambara fa anisan’ny daty manamaloka ny tantaran’ny zanak’olombelona tato anatin’ny zato taona, ankoatra ireo ady lehibe roa, ny 11 septambra .
Mbola azo zaraina roa izy io satria fahatsiarovana roa mampalahelo no notsiahivina omaly. Ny voalohany dia ny faha-10 taonan’ny 11 septambra 2001 nisehoan’ilay asa fampihorohoroana goavana tany Etazonia, nampirodana ny World Trade Center tao New York ka nahafatesana olona 3500 mahery. Ny faharoa kosa dia feno enim-bolana omaly ihany koa ny nitrangan’ilay fiakaran’ny ranomasina an-tanety na Tsunami tany Japon, ny 11 martsa 2011 ka nahafatesana olona 20.000 sy nanimba ilay toeram-pikarohana sy fitrandrahana ny angovo nokleary tao Fukushima. Samy nanamaloka ny fiainan’ireo firenena nitrangany ireo loza roa ireo ary niteraka zavatra maro tamin’ny fiainan’izao tontolo izao satria firenena roa tena mtanjaka ara-toekarena i Etazonia sy Japon, ka rehefa mievona izy ireo dia mikohaka izao tontolo izao. Raha iverenana kely ny 11 septambra 2001 dia tsotra : niha nahazo vahana ny fankahalan’ireo silamo mahery fihetsika ny diplaomasia Amerikanina, ka rehefa avy nanandrana kazarana asa fampihorohoroana tamina toerana maro tahaka ny tany Dar el Salam, Nairobi, eny hatrany Eoropa izy ireo dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra iray tena goavana hanehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahany an’i Etazonia. I Ossama Ben Laden no filoha mpanorina ny fikambanana Al Qaida voatondro fa tompon’andraikitra voalohany tamin’ny 11 septambra 2001. Fiaramanidina mpitatitr’olona telo no nahodin’ny miaramilan’ny Al Qaida tamin’io daty io, ka ny roa narefotra tamin’ny Twin Towers na ny World Trade Center tao New York, mariky ny tanjaky ny toekarena Amerikanina, ary ny iray kosa nokendrena hanapotehana ny Pentagone, misy ny ministeran’ny fiarovam-pirenena Amerikanina, ary dia nidaraboka tao Pennsylvanie.
Nahagaga sy nahatalanjona ny rehetra ny hoe : nahoana ny Amerikanina izay manana ny fitaovana arifomba indrindra maneran-tany amin’ny resaka fitsikilovana sy fanaraha-maso isan-karazany no nitrangana zavatra tahaka izao ? Fiaramanidina telo nisy piraty nanodina tao anatin’ny tapak’andro ve dia tsy tsikaritra sy tsy azo nosakanana mihitsy fa dia tafiditra an-tanàn-dehibe ? Tena mahagaga tokoa fa efa ho 20 taona mialoha an’io 11 septambra 2001 io anie no mailo sy nanara-maso akaiky ireo firenena na fikambanana Arabo heverina fa mahery fihetsika sy mety manao asa fampihorohoroana ny Amerikanina kanefa dia mbola tra-doza ihany ? Sa ve izay ilay hoe ny tampoka tsy maha lehilahy ? Nanova tanteraka ny fiainan’ny Amerikanina sy ny fiainan’izao tontolo izao ity tranga ity ary dia niady i Etazonia, notafihana voalohany ny faritra sasany tao Pakistan sy Afghanistan satria nambara fa toa hoe miery any, hono, i Ben Laden sy ny mpiara-dia aminy ary mbola manomana asa fampihorohoroana hafa indray. Niditra tany Irak ny tafika Amerikanina avy eo. Gidragidra be ny tany ary mitohy hatramin’izao ny olona maty isan’andro.
Nirodana ny fitondran’i Saddam Hussein. Novonoina ho faty ity farany. Araka ny tarehimarika farany nivoaka tamin’ity 2011 ity dia 2,5 tapitrisa ireo miaramila Amerikanina niady sy nivezivezy tany Afghanistan sy Irak, maty ny 6500 tamin’ireo, izany hoe efa avo telo heny tamin’ny maty tany Viet Nam. Eritreretina fa sivily 250.000 kosa ny Irakianina, Afghan ary Pakistaney no maty noho ny tifitra tsinahy na baomba diso lalana na asa fampihorohoroana. Ankehitriny, mifandimby mikorontana ireo firenena Arabo lehibe ary tsy mbola milamina ny tany. Mifanesisesy ihany koa ny krizy maneran-tany : krizy momba ny trano, krizy ara-bola, krizy politika. Izany hoe tena mbola maloka hatrany ny fiainan’ny zanak’olombelona ary tsy mety voaongotra hatramin’ny fakany ireo terôrista mpampihorohoro, satria sady misy an-tanety, no misy eny an-tsaha no misy eny ambony …latabatra izy ireo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.