Ankoatra an’i Frantsa dia tsy tazana teny Mahazoarivo nandritra ny famindram-pahefana teo amin'ny jeneraly Camille Vital sy Atoa Omer Beriziky ny solontenan'ireo masoivohon'ny firenena na fikambanana iraisam-pirenena goavana tahaka an'i Etazonia, Alemaina sy ny Vondrona Eoropeanina izay anisan'ny mpamatsy vola goavana an'i Madagasikara tato anatin'ny 7 taona izay.
Misy dikany mazava ara-diplaomatika izany tsy fahatongavan'izy ireo izany fa tsy hoe noho ny kisendrasendra tsy akory. I Etazonia manokana, ohatra, dia mitaky ny fanajana ny zon'olombelona sy ny fahafahana maneho hevitra ary fampiharana ny demokrasia. Ireo zavatra ireo anefa dia tahaka ny odian'ny FAT tsy re na tsy hita. Azon’ny filohan'ny FAT, Andry Rajoelina, natao tsara ny namoaka ireo gadra politika tamin'ny alalan'ny didy hitsivolana, tahaka ny nataony tamin'ny 2009 ka nanafahana an-dry Voninahitsy sy ry jeneraly Andrianafidisoa hatramin-dry Coutiti, saingy tsy nanao izany izy na dia efa voasonia aza ny sori-dalana, fa hoe miandry ny Parlemanta indray, hono. Parlemanta izay tsy fantatra hatreto ny hijoroany sy hiasany. Ny Vondrona Eoropeanina ihany koa dia sarotiny amin'ilay fanjakana tan-dalàna sy fananganana tetezamita iaraha-mitantana. Mbola endrika fitantanan'ankolafy tokana anefa no hita ka noho izany mbola miandry koa ny Eoropeanina.
Hatramin'izao, tsy mbola nandrenesana feo koa aloha ny taratasy avy any amina firenena vahiny niarahaba an'i Omer Beriziky tamin'ny naha voatendry azy, izany hoe tena tsy afaka misioka mihitsy satria tsy mbola tafavoaka ny ala ingahy Beriziky. Azo eritreretina ihany koa fa tsy maintsy hisy ny fifampiresahana amin'ireo firenen-dehibe tahaka an'i Etazonia sy Frantsa ohatra, momba ny raharaha eto Madagasikara, dia ho hita eo ny ho tohiny. Ny any Eoropa koa moa sahirankirana ara-bola sy ara-toekarena noho ny krizin-dry zareo Grika ka mety mbola variana mamaha ny olana anatiny vao hijery antsika. Na izany aza anefa hita fa manaraka akaiky ny toe-draharaha eto izy ireo ary ny Frantsay aza dia hita ho tena miditra lalina mihitsy, ka Atoa Mamy Rakotoarivelo avy no saika nahazo tamin'i Jean Marc Chataigner teny amin'ny hotely Colbert nialoha kely ny nanendrena ny praiminisitra tamin'ny heriny androany. Midika izany fa tena mbola mafana ny toe-draharaha ary tsy misy manaiky lembenana koa ny an-daniny sy ny an-kilany, na ny eto an-toerana io, na ny any ivelany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.