Edito

Mbola lavitry ny kitay ny afo e !


  • Sabotsy 29 Aprily 2017

Homarihina amin’ny alatsinainy izao ny fetin’ny asa, anisany ny eto amintsika, ary tena mafana fo mihitsy ireo mpitarika isan-tsokajiny. Nialoha an’izay dia efa nafampana ny fitakiana mikasika ny famerenana ireo mpitarika sendika noroahina noho ny fitarihana hetsiky ny mpiasa.


Efa nandresy tany amin’ny fitsarana fa tsy maintsy miverina amin’ny asany, saingy nikipiana sy tsy noraharahaina, izay midika fa tsy ao anatin’ny heriny sy tsy afaka manao tsindry amin’ny mpitondra ny sendika matoa mbola midingin-drambo amin’ny fanampenan-tsofina tsy miraharaha ireny fitakiana samihafa ireny ny fanjakana. Toa mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny tena fiarovana marina ny zon’ny besinimaro fa misy ny manao fitaovana ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana amin’ireny fitarihana sendika ireny, ka matetika no andrenesana sy ahitana hafanam-po miredareda sy toa tsy hanaiky lembenana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny maro an’isa. Rehefa mandeha anefa ny ora sy ny fotoana dia misy ny mivadi-belirano, ka zary miova fiteny sy fihetsika satria tsy mahatanty ny mena miraviravy, hany ka mivarotra ny feon’ny fieritreretany. Tsy atao mahagaga raha tsy misy tena tafita araka ny fanirian’ny besinimaro ny fanovana nosainina tany am-boalohany, hany ka zary fomba amam-panao tsy hita izay maharatsy azy aloha hatreto ny resaka zon’ny mpiasa. Tena mbola lavitry ny kitay ny afo, ka mila ny fahatongavan-tsain’ny rehetra e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT