Edito

Mbola lavitry ny fiombonana


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Novakivakiana ny firaisankina. Tsy hoe tsy fidiny io fa fanahy iniana. Ny fizarazarana izay hanjakana. Nataon’ny mpanjanaka io ho fitondrana.

Nandova izany ary Ramalagasy. Tsy nahay nandova tsara fa nandova ratsy. Ity tanindrazana lazaina fa masina ity, ireo mpanota fady indray no manjaka ety.” Tononkiran’i zokibe Dama ao amin’ny tarika Mahaleo izany efa elaela ihany izany fa rehefa mijery ny fiarahamonina mbola iainantsika ankehitriny tokoa isika dia tsikaritra ho tena vao mainka lalim-paka izany atao hoe fisaraham-bazana na tsy firaisankinan’ny samy malagasy izany amin’izao fotoana izao. Tsy misy mifampatoky intsony fa na misy aza angamba dia vitsy dia vitsy sisa. Misondrotra isan’alina izao ny vidim-bary saingy manipy “gant” na arotanana sisa, hoy ny fitenenana izay, ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa satria resy lahatra fa avy amin’ireo mpivarotra ireo ihany ilay fiakarana fa tsy nisy antony hafa. Isika samy eto ihany no mifanararaotra sy mifanambaka. Dia toy izany koa hatrany amin’ny lafiny kolontsaina aty. Taiza no mbola nisy fomba amam-panao malagasy tsy nifanaovana teny ierana izany na hoe ny maro an’isa indray no mandefitra? Io izao ny taom-baovao malagasy fa mbola samy manana ny azy hatrany tao anatin’izay 10 taona mahery niforonan’ilay teny izay. Na ny tantaram-pirenena aza samy milaza ho manana ny marina azy daholo ireo mpandinika sy mpikaroka. Isan’izany iny resaka 29 martsa 1947 vao notsarovantsika omaly iny. Ny raharaha Ratsimandrava koa toy izany. Misy ny petrakevitra voarakitra anaty boky siantifika sasany mihitsy fa efa maty tanatina birao iray izany kolonely nanamarika ny tantaran’i Madagasikara izany vao mody nanaovana sary tifitra teo Ambohijatovo. Matetika mihitsy aza moa isika no maheno hoe nodisoina ny tantaram-pirenena. Hatraty amin’ny fanatanjahantena koa misy endrika fampisarahana mitranga toy izany satria dia nindraindraina tanaty Barea, ohatra, ny tarehimarika tian’ny filoham-pirenena indrindra dia heno sesilany indray ny tsikera fa be loatra ny politika atsabaka ao anatin’ilay ekipam-pirenena. Dia saika tsikaritra ho toy izany avokoa ny sehatra rehetra saingy ny fehiny izany dia ny hoe mbola lavitry ny fiombonana isika hatreto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT