Edito

Mbola lavitra ny fitoniana


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Mazava ny resaka izao fa tsy mankasitraka mihitsy ny hiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny filohan'ny tetezamita sy ny ekipany.

 Na dia efa voasoratra mazava tsara ao amin'ny tondrozotra aza mantsy fa afaka miverina an-kalalahana ireo sesitany, ary foanana avokoa ireo karazana sakantsakana tsy hahafahan'ny olona iray na vondron'olona mandray anjara feno amin'ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena, dia mbola nivoaka ihany ny NOTAM. Atoa Marc Ravalomanana manokana no voakasik'izany fandrarana tsy hitaingina fiaramanidina hankaty Madagasikara izany. Nambara fa mety hitarika korontana sy savorovoro ny fahatongavany eto. Ny alakamisy 15 desambra io NOTAM io nivoaka ary maharitra hatramin’ny martsa 2012. Midika izany fa tsy afaka ny hiditra an-kalalahana eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity amin'ity taona 2011 ity fa dia amin'ny herintaona indray ho hita eo.

Efa nandrangaranga anefa ireo olon'ny ankolafy Ravalomanana any anaty Parlemanta sy governemanta fa tsy maintsy tafody eto i Dada, ary raha toa ka tsy tanteraka ao anatin'ny fe-potoana faran'izay haingana io dia mety hiala ao anatin'ny tetezamita izy ireo satria tsy voahaja ny tondrozotra. Ato anatin’ny 7 andro, nanomboka ny sabotsy teo io fotoana faran'izay haingana io, raha ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Efa hatrany am-boalohany no azo novinavinaina fa na hiposaka avy any andrefana aza ny masoandro dia tsy hanaiky ny fiverenan-dRavalomanana moramora eto ny FAT. Nanara-drenirano fotsiny koa ny praiminisitra Beriziky rehefa tafiditra tao anatin'ny fitondrana. Mametra-panontaniana ihany koa ny maro ny amin'ny fiatrehana ny fety amin'ity faran'ny taona ity. Mba ao anatin'ny filaminana sy ny fitoniana ve sa mbola hibahan-toerana ao ny politika ? 12 andro sisa dia hifarana ny taona.

Inona ny zavatra mety mbola hitranga ao anatin'io ? Hahavita fahagagana ve ka ho tonga eto ihany Atoa Ravalomanana amin’ity herinandro ity izay efa nohamafisin'ny mpitondra teniny fa ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ? Tsy mbola mitombina tsara ny fiaraha-mitantana satria tsy ao anatin'ny Parlemanta ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy, manambana ny hiala ao ny ankolafy Ravalomanana, misy mimenomenona ihany koa ireo vondrona politika sasany eny amin'ny CT sy ny CST eny fa toa hoe kitranoantrano sy resa-pianakaviana no manjaka eny. Na efa nambara aza fa tsy misy ny vola ka mila mifehy kibo ny rehetra dia mbola nandany andro maromaro niadiana ny karamany sy ny tombontsoany ihany ny teny amin'ny Kongresin'ny tetezamita teny ary dia fivoriana maimaika sisa no nandaniana ny tetibola 2012. Raha dinihana, alaina ambony, alaina ambany ny zava-mitranga eto amin'ny firenena dia mbola lavitra ny fitoniana isika. Tsy miady tsy miady, kanefa ny kobay an-kelika ihany.

Hita ho toa feno fihatsarambelatsihy ny fomba firesak’ireo mpitondra sy mpanao politika miezaka hatrany mamahan-dalitra ny vahoaka. Mbola maro ireo mieritreritra ny toerany sy ny antokony ary ireo akamakamany aloha, izay vao mandinika ny hoavin'ity firenena ity. Misy mahazo tombontsoa amin'ny fisian'ny savorovoro angamba eto ka mamorona izao atsanga tsy aman'orana rehetra izao hampitahorana ny olona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT