Dia teraka, hono, ny Repoblika faha-4, ary fety be tahaka ny fanaony hatramin’izay no netin’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy nankalaza izany. Manoloana ny fahasarotan’ny fiainana sy ny tsy fahampian’ny fialamboly moa dia mba tonga nialavoly tany amin’ireo fampisehoana tsy nandoavam-bola ihany koa ramalagasy. Na dia teo aza ny fanentanana sy ny dokambarotra totoafo dia hita ho nangatsiatsiaka ihany ny fandraisan’ny olona ity hoe Repoblika faha-4 ity. Mandainga kosa aloha raha hiteny hoe vitsy olona kely teny Andohalo sy Analakely ary Mahamasina, saingy tsikaritra ihany fa tsy tao amin’ireo nijery sy nanatrika ny lanonana ny fientanana sy ilay hambom-pom-pirenena tsianjerin’i Andry Rajoelina isaky ny mikabary.
Ireny dia efa azo hanaporofoana fa mbola lavitra ny lalana amin’ny fandresena lahatra ny olona ny maha rariny sy hitsiny izao tetezamita mijoro izao, ny olona tsy te higadra andro fety fotsiny angaha no mety mahatonga ny endrikendrika fitoniana amin’ny hetsika an-dalambe, fa azo antoka fa raha miziriziry amin’ny heviny ny FAT dia hafampana ny raharaha eto amin’ny volana janoary. Tao anatin’ireny fihetsiketsehana sy seho rehetra ireny dia miha mazava ihany ny tiana hahatongavana fa dia hifehy hatramin’ny farany izao tetezamita izao i Andry Rajoelina sy ny ekipany mba hahafahany manana tombony amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izy rahateo efa nanambara ho ren-tany ho ren-danitra teny Mahamasina fa vonona hanolo-tena vatana sy fanahy ho amin’ny fanasoavana ny tanindrazana.
Ny antso amin’ny filatsahan-kofidiany rahateo efa manomboka mipoitra etsy sy eroa, koa dia hatreo izany aloha dia tsy misy azo antenaina amin’izay hoe fiaraha-mitantana izany mihitsy. Raha tahaka izao no ho fandehany dia hijanona ho praiministra i Camille Vital, an-kavitsiana ireo ministra hailika fa hampitomboina kosa ny isan’ny ministera dia any no hampidirana ireo vondrona politika maro samihafa. Araka ny tsiliantsofina re dia mety hitombo isa 6 ka hatramin’ny 10 izany ministera izany. Na tsy mbola manaiky ny fitondrany aza ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy maha rototra an’i Andry Rajoelina izany, satria efa misy mpanambola teratany sy vahiny mety manome toky fa hamatsy azy any ambadimbadika any, ka inona tokoa moa no hitalahoana ny faneken’ny sehatra iraisam-pirenena. Fa ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia ny hoe : inona ary no ho tambin’ny vola azon-dRajoelina amin’ireo mpamatsy azy ireo ? Efa misy fifandraisana amin’ireo fitrandrahana harena ankibon’ny tany mihazakazaka be tato ho ato izay ary io famatsiam-bola tsy mazava tsara io. Toa miditra eto avokoa izao vahiny milaza azy fa mpandraharaha avy any amin’ny firenena tsy fantapantatra rehetra izao, ny sinoa moa dia efa maka toerana tsara mihitsy, satria efa nandoa 100 tapitrisa dolara tamin’ny FAT, ary mbola mety hanome vola beha fa koa aza.
Dia ao anatin’ny manjavozavo tahaka izany ve sanatria no hametrahana indray ny rafitra rehetra ao anatin’ilay Repoblika faha-4 ? Mety hitombina ihany ny efa nambara teto hoe : mihaingo ambony tsokoko ny FAT ary tena mampiana-dratsy ny vahoaka entiny. Fihetsiketsehana ety ivelany no tena betsaka fa poakaty ny atifanahiny ary tsy misy foto-kevitra mazava ijoroana fa dia ho hita eo ihany izay ho atao anio, dia tahaka izany isan’andro. Manaingo izany fihetsiketsehana rehetra izany ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpanohana an’i Andry Rajoelina, na eto an-drenivohitra io na any amin’ny faritra, ary misy amin’ireo mpanao politika azo ambara fa manana ny lanjany eo amin’ny sehatra nasionaly aza no tsy fantatra intsony na manohana, na manohitra an’i Andry Rajoelina, na dia ao anatin’ny fitondrana ihany aza. Mbola savorovoro no dikan’izany rehetra izany, ary tena mbola lavitry ny fitoniana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.